Votoaty Mahery Setra sy Mahatsiravina

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Azonay fa manana hamoratohina samy hafa ny olona eo anatrehan’ny sary mahatsiravina sy mahery setra. Mba hiarovana ireo mpampiasa amin’ny votoaty toy izany, dia manala ireo votoaty mahatsiravina indrindra ary manampy etikety fampitandremana amin’ireo karazana votoaty hafa izahay amin’izay ny olona mahalala fa mety ho saropady ilay izy alohan’ny hanindrian’izy ireo azy. Mametra ny fahafahan’ireo mpampiasa tanora mahita votoaty mety ho tsy antonona azy ireo na tsy sahaza ny taonan’izy ireo izahay. Rehefa manao izany izahay dia mikendry ny hanolorana traikefa mpampiasa sahaza, no sady manohy ny fanolorana habaka ahafahan’ireo mpampiasanay maneho ny tenan’izy ireo.
Miaiky izahay fa ireo mpampiasa dia mety hizara votoaty mba hampahafantarana ny marina na hanamelohana fihetsika toy ny fanitsakitsahana zon’olombelona na fifanoherana mitam-piadiana. Ireo politikanay dia miharahara rehefa zaraina ao anatin’io sahankevitra io ny votoaty ary manome sehatra ho an’ny adihevitra sy fampahatsiarovan-tsaina mifanaraka amin’izany.
Ho an’ireo fanaovan-doka andoavam-bola, dia manolotra fiarovana fanampiny izahay. Ohatra, tsy mahafeno fepetra haely anatina doka ireo votoaty heverina fa saropady. Mandrara ireo doka miaty sary sy horonantsary manafintohina, mampivarahontsana na, ankoatra izay, mampitolagaga ihany koa izahay. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa, dia tsidiho ny Fenitry ny Fanaovan-dokanay azafady.
Aza mamoaka:
Sarin’olona
Horonantsarin’olona, velona na maty, ao anatin’ireo sahankevitra tsy fitsaboana, maneho an-tsary:
  • Fanapahana rantsam-batana.
  • Tsinay miharihary, toy ireo taova, taolana na hozatra mihanjahanja amin’ny vatan’ireo olona velona na maty;
  • Olona may mirehitra na kilan’ny afo; na
  • Fanapahana tenda.
Fandefasana live-stream ny famonoana olona voaheloka ho faty.
Fanamarihana Sadìka
Ireo fanamarihana sadìka dia fanehoan-kevitra, toy ny maribolana na kaomantera, maneho hafaliana na fahafinaretana amin’ny fijalian'ny na fanimbazimbana olona na biby.
Izahay dia manala
  • Ireo fanamarihana sadìka atao amin’ny sary (na horonantsary na sary tsy mihetsika) fa, raha tsy izay, mahazo efijery fampitandremana araka ity politika ity, manoro hevitra ny olona fa mety ho saropady ilay votoaty; raha tsy hoe angaha maneho fihetsika fiarovan-tena (oh: horonantsarin’ny olona iray miaro ny tenany amin’ny fandromban’ny olon-dratsy mitam-piadiana) na amina sahankevitra fitsaboana (oh: sarin’ireo matihanina mpitsabo manao fandidiana) ilay sary.
  • Fanamarihana sadìka ankitsirano atao momba ny fijalian’ny biby aseho an-tsary, ary sary maneho biby mivadika avy amin’ny velona lasa maty.
  • Fanolorana na fiangaviana sary izay voafafa na mahazo efijery fampitandremana iray araka ity politika ity, rehefa ampiarahina amin’ny fanamarihana sadìka.
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, dia manisy efijery fampitandremana iray izahay, amin’izay ny olona mahalala fa mety hanafintohina ilay votoaty. Mametra ny fahafahana mijery ilay votoaty ho an’ny olondehibe, ireo 18 taona no mihoatra, ihany koa izahay:
Sarin’olona
Horonantsarin’olona, velona na maty, anatin’ireo sahankevitra fitsaboana, maneho an-tsary:
  • Fanapahana rantsam-batana.
  • Tsinay miharihary, toy ireo taova, taolana na hozatra mihanjahanja eo amin’ny vatan’ireo olona velona na maty;
  • Olona may mirehitra na kilan’ny afo, anisan’izany anatin’ireo sahankevitry ny fandoroana razana; na
  • Fanapahana tenda.
Sary tsy mihetsika ana olona, velona na maty, maneho an-tsary:
  • Fanapahana rantsam-batana.
  • Tsinay miharihary, toy ireo taova, taolana na hozatra mihanjahanja amin’ny vatan’ireo olona velona na maty;
  • Olona may mirehitra na kilan’ny afo; na
  • Fanapahana tenda.
Sary (na horonantsary na sary tsy mihetsika) maneho fahafatesan’olona iray an-kerisetra (anisan’izany ny fotoana ahafatesany na ny aorian’io) na olona iray voan’ny tranga mandrahona ny aina (toy ny izy domin’ny fiara iray, mianjera avy eny ambony be na voan’ny ratram-batana mety hahafaty azy).
Sary maneho ny famonoana olona voaheloka ho faty iray (tsy anatin’izany ireo live-stream).
Sary maneho fihetsika misetrasetra (oh: fanaovana herisetra na fandrahonana ho faty amin’ireo olona hazonina an-kery) atao amin’ny olona na vondron’olona iray.
Sary maneho zavatra vahiny tsy ara-pitsaboana (oh: antsy, fantsika na zavatra metaly hafa) mandoaka ny hoditry ny olona iray.
Sary maneho nifin’olona tapaka na mandeha ra, nify nalana ka misy ra hita; na ny fanatsofohana zavatra vahiny anatin’ny nify na akanjonify.
Sary maneho tsaika sy zazakely izay maty ivelan’ny tranonjaza, afa-tsy hoe misy olona iray hafa eo amin’ilay sary.
Sarim-biby
Sarim-biby tsy ankanavaka, velona na maty, maneho fanapahana rantsam-batana, tsinay miharihary, may mirehitra na kilan’ny afo, na ampangotrahina velona.
Sarim-biby velona lasa maty.
Sarin’olombelona manao habibiana amin’ny biby velona (oh: fandakana, famonoana an-drano na fanongotana volom-borona).
Ho an’ity votoaty manaraka ity, izahay dia mametra ny fahafahana mijery azy ho an’ireo mpampiasa 18 taona no ho mihoatra:
Sarin’olona
Sary maneho olona maty mihanjahanja ampahany na manontolo, na dia tsy misy famantarana fahafatesana an-kerisetra hita miharihary.
Sary maneho tsaika sy zazakely izay maty ivelan’ny tranonjaza, rehefa misy olona iray hafa no eo amin’ilay sary.
Sary maneho fanjaitra mandoaka hoditry ny olona iray ivelan’ny sahankevitry ny fanaovana vakisiny na acupuncture na dry-needling, tombokavatsa na piercing.
Sary maneho olona maratra anatin’ireo sahankevitra fitsaboana rehefa toa anaty fanaintainana na an-katerena, mangana, na misy fantsona fitsaboana eo amin’ny tarehiny sy/na tanany.
Sary maneho maloton’olombelona na tsiranoky ny vatana (oh: diky, amany, loa, taintsofina, temitaova, zanabokatr’ireo fakana atihoditra na ra).
Sary maneho fiara izay mirehitra na mipoaka, na maneho ilay fotoana na ny aorian’ilay fifandonan’ny fiara mandeha mafy amin’ny zavatra hafa ka tafala tamin’ny lalany ilay fiara sy/na simba be ireo efitra fitoeran’ny mpamily na mpandeha amin’ilay fiara.
Sarina ady ara-batana eo amin’ny olona roa na mihoatra, afa-tsy amin’ny sahankevitry ny fanatanjahantena.
Sarim-biby
Sary maneho biby, velona na maty, misy ra hita miharihary.
Sary maneho biby anatina sahankevitra fiterahana (oh: misy ra na tsinainy hita miharihary).
Sary maneho biby, velona na maty, misy bibikely hita mivoaka avy ao anatiny (oh: olitra na kankana).
Sary maneho fijalian’ny biby maratra.
Sary Foronin’eritreritra
Sary maneho olona foronin’eritreritra anatin’ireto sahankevitra manaraka ireto:
  • Fanapahana rantsam-batana;
  • Tsinay miharihary, toy ny taova, taolana na hozatra mihanjahanja;
  • Olona may mirehitra na kilan’ny afo;
  • Fanapahana tenda; na
  • Fahafatesana an-kerisetra na tranga mandrahona ny aina.
Sary maneho olona foronin’eritreritra izay toa tena saripika (ka ilay sary dia toa na manakaiky be ny saripikana na horonantsarina olona iray tena izy), anatin’ireto sahankevitra manaraka ireto:
  • Zavatra vahiny tsy fitsaboana (oh: antsy, fantsika na zavatra metaly hafa) mandoaka ny hoditra;
  • Maloton’olombelona na tsiranoky ny vatana (oh: diky, amany, loa, taintsofina, temitaova, zanabokatr’ireo fakana atihoditra), tsy anisan’izay ny ra;
  • Zazakely na tsaika maty ivelan’ny tranonjaza;
Sary maneho biby foronin’eritreritra, saingy tena izy ara-tsary, anatin’ireto sahankevitra manaraka ireto:
  • Fanapahana rantsam-batana;
  • Tsinay miharihary, toy ny taova, taolana na hozatra mihanjahanja;
  • Biby may mirehitra na kilan’ny afo;
  • Biby ampangotrahina velona;
  • Misy ra;
  • Biby velona lasa maty;
  • Olona manao habibiana amin’ny biby velona (oh: fandakana, famonoana an-drano na fanongotana volom-borona);
  • Fijalian’ny biby maratra
  • Biby misy bibikely mivoaka avy ao anatiny (oh: olitra na kankana).
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
Izahay dia tsy manome lalana:
Sary na horonampeon’ny fahafatesan’ny olona iray an-kerisetra rehefa hamafisin’ny rakitry ny mpitandro filaminana, sora-pahafatesana, tatitry ny Mpiray Ombon'antoka Atokisana, na tatitry ny hainovakijery ny fahafatesan’ilay olona ary mangataka ny fanalana azy ny olona iray fianakavian’ilay olona nody mandry.
Horonantsarin’olombelona kilan’ny afo na may mirehitra anatin’ny sahankevitry ny fandoroan-tena toa fihetsika fanoherana.
Izahay dia mety hanome lalana ny:
Sarin’ny fahafatesan’ny olona iray an-kerisetra na tranga mandrahona ny aina rehefa tranga sembandrahona ilay fanehoana an-tsary
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Angondrakitra
Mijery ny Tatitra Fampiharana Fenitry ny Fiombonambe farany indrindra
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana mahakasika ny votoaty mahery setra sy mahatsiravina
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay