Entam-barotra sy Serivisy Ferana

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Mba hamporisihana ny aroloza sy hamongorana ireo fihetsika mety hahavoa, dia mandrara ny fanandraman’ireo olon-tsotra, mpanamboatra ary mpaninjara hividy, hivarotra, hanao an-kitsapaka, hamindra na hanakalo entana sy serivisy sasany amin’ny vovonanay izahay. Izahay dia tsy mandefitra amin’ny fifanakalozana na fivarotana zava-mahadomelina tsy ankanavaka izay mety hiteraka fiankinan-doha amin-draha araka ny voalazan’ireo politikanay eo ambany. Mahazo manao fampiroboroboana fitaovam-piadiana sy toaka ary paraky vonona hamidy ivelan’ireo serivisinay ireo mpaninjara anaty magazay biriky-sy-rihitra an-tserasera; saingy feranay ny fahitan’ireo zaza tsy ampy taona ity votoaty ity. Manome lalana ireo adihevitra momba ny fivarotana ireto entana ireto anaty magazay na amin’ny alalan’ny mpaninjara an-jotra, mampanohana fanovana didy amam-pitsipiky ny serivisy momba ny entana sy serivisy anatin’ity politika ity, ary mampanohana na mikasika ny fampiasana fanafody anatin’ny sahankevitra fikarakarana fitsaboana, anisan’izany iny adihevitra momba ireo fiantraika anila amin’ny vatana na saina.
Anisan’ireo Entam-barotra sy Serivisy Ferana ireto sokajy manaraka ireto:
  • Rongony sy Fanafody
  • Fitaovampiadiana, Bala na Zavamipoaka
  • Paraky sy Vokatra Mifandraika
  • Toaka
  • Fahasalamana sy Fiadanana
  • Filokana sy Lalao An-jotra
  • Karazan-javaboary atahorana ho lany tamingana sy arovana (biby dia sy zavamaniry)
  • Asakanto Ara-tantara
  • Entam-barotra sy Raha Mampidi-doza
  • Singa sy Tsiranoky ny Vatana
Ny sokajy tsirairay dia soritsoritina antsipiriany eo ambany.
Rongony sy Fanafody
Izahay dia tsy manome lalana:
Rongony be tandindon-doza (rongony izay manana ambana ambony ho an’ny fampiasana vilana sy fiankinan-doha, na misy ifandraisany amin’ny tandindon-doza ara-pahasalamana mafy, anisan’izany ny overdose; oh: cocaïne, fentanyl, heroïne).
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, manakalo, miara-mandrindra ny fanakalozana, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka fanafody be tandindon-doza.
  • Miaiky ho nanao fividianana, fanakalozana na fiaraha-mandrindra ny fanakalozana rongony be tandindon-doza ataon’ilay mpamoaka ny votoaty izy tenany na amin’ny alalan’ny olona hafa.
  • Miaiky ny fampiasana fanafody manokanatsy misy fankasitrahana na filazana momba ny fanarenana, fitsaboana na fanampiana hafa hiadiana amin’ny fampiasana izany. Ity votoaty ity dia mety tsy hiresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika hampiasa, mandrindra na manome torolalana hanaovana na hampiasana rongony be tandindon-doza.
  • Mandrindra na mampanehoeho (ny tianay hambara amin’izany dia ny miresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika amin’ny fampiasana, na manome torolalana hampiasana na hanamboarana) fanafody be tandindon-doza.
  • Fanamarihana: Azo atao ny dondresaka na fanentanana ho an’ny maha-ara-dalĂ na na adihevitra momba ny fahamendrehana ara-tsiansa na ara-pitsaboan’ireo rongony avo tandindondoza. Ity dia miaty ireo fampandrenesana momba ny serivisy vaovao sy daholobe.
Rongony tsy fitsaboana (fanafody na raha izay tsy ampiasaina ho an’ilay tanjona fitsaboana nanamboarana azy na koa ampiasaina hahatongavana amin’ny fahafinaretana faratampony, anisan’izany ireo vokatra na raha simika nialoha lalana izay ampiasaina amin’ny famokarana ireny zava-fanafody ireny.)
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, manakalo, miara-mandrindra ny fanakalozana, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka fanafody tsy fitsaboana.
  • Miaiky ho nanao fividianana, fanakalozana na fiaraha-mandrindra ny fanakalozana raokandro na tambavy ataon’ilay mpamoaka ny votoaty izy tenany na amin’ny alalan’ny olona hafa.
  • Miaiky ny fampiasana fanafody manokanatsy misy fankasitrahana na filazana momba ny fanarenana, fitsaboana na fanampiana hafa hiadiana amin’ny fampiasana izany. Ity votoaty ity dia mety tsy hiresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika hampiasa, mandrindra na manome torolalana hanaovana na hampiasana raokandro na tambavy.
  • Mandrindra na mampanehoeho (ny tianay hambara amin’izany dia ny miresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika amin’ny fampiasana, na manome torolalana hampiasana na hanamboarana) fanafody tsy fitsaboana.
  • Fanandramana hividy na hampanehoeho fitaovam-pidorohana rongony tsy fitsaboana.
  • Misy entam-barotra maneho rongony tsy fitsaboana.
Fanafody ara-toromarika (fanafody izay itakiana taratasin-toromarika avy amin’ny mpitsabo na matihanin’ny fitsaboana ny fampihinana azy)
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra na manakalo fanafody ara-toromarika afa-tsy rehefa:
    • Mitanisa ny vidin’ireo vakisiny anatina sahankevitra fanabeazana na adihevitra ankitsirano rehefa ferana ho an’ny olondehibe 18 taona na mihoatra izany.
    • Manolotra fanaterana colis rehefa avoak’ireo fihariana e-commerce ara-dalĂ na mpisehatra amin’ny fitsaboana rehefa ferana ho an’ny olondehibe 18 taona na mihoatra izany. Ity votoaty ity dia tsy maintsy miaty fialana andraikitra iray hakana hevitry ny matihanina ara-pahasalamana nomen-dalana iray na hahazoana toromarika manan-kery.
  • Manandrana manome toa fanampiana na manao fanomezana fanafody ara-toromarika, afa-tsy amin’ny trangana kirizy ekonomika, ara-pahasalamana, ara-piarahamonina na loza voajanahary.
  • Mangataka fanafody ara-toromarika, afa-tsy rehefa miady hevitra momba ny fahahafa-mividy, fahafaha-misitraka na fandairan’ireo fanafody ara-toromarika amin’ny sahankevitra fitsaboana iray.
  • Fanamarihana: Azo atao ny dondresaka na fanentanana ho an’ny maha-ara-dalĂ na na adihevitra momba ny fahamendrehana ara-tsiansa na ara-pitsaboan’ireo fanafody ara-toromariky ny mpitsabo. Ity dia miaty ireo fampandrenesana momba ny serivisy vaovao sy daholobe.
Enthéogènes
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana na mangataka enthĂ©ogènes.
  • Fanamarihana: Azo atao ny don-dresaka na fanentanana ho an’ny maha-ara-dalĂ na na adihevitra momba ny fahamendrehan’ny enthĂ©ogènes ara-tsiansa na ara-pitsaboana.
Cannabis sy Vokatra Sampan’ny Cannabis
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana na mangataka marijuana sy vokatra misy THC na singa “psychoactif” mifandraika.
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
Enthéogènes
  • Votoaty izay mampiseho famelana fampiasan-tsamirery ny, fandrindrana na fampanehoehoana (ny tianay hambara amin’izany dia hoe miresaka miabo), na mampirisika ny fampiasana ny enthĂ©ogènes.
    • Afa-tsy rehefa mitranga anatina sahan-kevitra tantara noforonina na fanaovana documentaire ny iray amin’ireo eo ambony ireo.
Cannabis sy Vokatra Sampan’ny Cannabis
  • Votoaty izay mandrindra na mampanehoeho (ny tianay hambara amin’izany dia ny miresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika amin’ny fampiasana, na manome torolalana hampiasana na hanamboarana) marijuana sy vokatra misy THC na singa “psychoactif” mifandraika.
  • Votoaty mifandraika amin’ny fihariana avoak’ireo toeram-pitsaboana amin’ny marijuana ka tsy misy fanandramana hividy, hivarotra na hanakalo marijuana sy vokatra misy THC na singa mandrisi-panahy (psychoactif) mifandraika aminy.
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka cannabidiol azo atelina (CBD) na vokatra cannabinoĂŻde mitovy.
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka cannabidiol tsy azo atelina (CBD) na vokatra cannabinoĂŻde mitovy aminy.
  • Votoaty manao fitokoavana momba ny aretina mikasika ny cannabidiol tsy azo atelina (CBD) na vokatra cannabinoĂŻde mitovy aminy.
  • Votoaty maneho an-tsary ny fitaovam-pidorohana marijuana.
Fanafody ara-toromariky ny mpitsabo
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra na manakalo fanafody ara-toromariky ny mpitsabo anatin’ny sahankevitra tsy ankanavaka, anisan’izany rehefa avoak’ireo fihariana e-commerce momba ny fikarakaram-pahasalamana ara-dalĂ na.
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka fanafody azo vidina malalaka.
  • Votoaty izay miaty fanekena na fihinana fanafody ara-toromariky ny mpitsabo
Fitaovampiadiana, Bala na Zavamipoaka
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra na manakalo basy, piesim-basy, bala, zavamipoaka na fanatsarana hery mahafaty afa-tsy rehefa:
    • avoaky ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena fisiana biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, tranonkala, marika na masoivohom-panjakana (oh: sampandraharahan’ny polisy, sampandraharahan’ny mpamono afo) na olon-tsotra manokana iray mizara votoaty amin’ny anaran’ireo fisiana biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na; ary ny fahitana dia ferana amin’ireo olondehibe 21 taona no ho mihoatra.
  • Manandrana manome toa fanampiana na manao fanomezana basy, piesim-basy, bala, zava-mipoaka na fanatsarana hery mahafaty afa-tsy rehefa avoaka anatin’ireto sahankevitra manaraka ireto:
    • Fanomezana toa fanampiana, fanakalozana na fividianana indray basy sy bala ataon’ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, tranonkala, marika na sampan-draharaham-panjakana, na olon-tsotra mizara votoaty amin’ny anaran’ireo orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na; ary ny fahitana dia ferana amin’ireo olondehibe 21 taona no ho mihoatra.
    • Lavanty na ankitsapaka basy ataon’ireo orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, fikambanana rantsamangaikam-panjakana na tsy itadiavam-bola, na olon-tsotra rantsamangaikan’ny na iantohan’ireo orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na; ary ny fahitana dia ferana amin’ireo olondehibe 21 taona no ho mihoatra.
  • Mangataka basy, piesim-basy, bala, baomba na fanatsarana hery mahafaty.
  • Manandrana mividy, mivarotra, manao fanomezana, manakalo, mamindra, mandrindra, miresaka miabo momba ny, mamporisika ny fampiasana na manome fisitrahana torolalana momba ny fanaovam-pirinty 3D na fanamboarana ampian-tsolosaina ho an’ny basy na piesim-basy tsy anavahana sahankevitra na mpamoaka.
  • Manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana, mangataka na miaiky fizakam-pananana fitaovan-tserasera famadihana basy marovava.
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olon-dehibe 21 taona no ho mihoatra izahay:
Fitaovampiadiana, Bala na Zavamipoaka
  • Votoaty avoaky ny na mampanehoeho magazay biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, fisiana, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, tranonkala, marika na sampandraharaham-panjakana izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka (anisan’izany anatina sahankevitra lavanty na ankitsapaka iray) basy, piesim-basy, bala, zavamipoaka na fanatsarana hery mahafaty.
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
Zavatra marani-dela sy fitaovampiadiana hafa:
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, mandrindra, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka: zavatra marani-dela ary fitaovampiadiana hafa tsy ankanavaka (oh: etona dipoavatra na peratra totohondry amerikanina).
  • Votoaty izay miresaka miabo momba ny, manome torolalana hampiasaina na mamporisika ny fampiasana basy, singam-basy, bala, zavamipoaka, fanitarana mahafaty na zavatra marani-dela anatin’ireo fanombanana vokatra
  • Tolotra varoboba sy fampanehoehoana firongo tsy mahafaty
Paraky sy Vokatra Mifandraika
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay:
  • Fanandramana mividy, mivarotra na manakalo vokatra paraky/nikĂ´tina mifandraika, na vokatra izay misary fifohana, anisan’izany ireo karazana vokatra “ENDS” Electronic Nicotine Delivery Systems rehetra (oh: sigarety elektronika, vape ary vape tsy misy nikĂ´tina).
    • Afa-tsy rehefa avoaky ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena fisiana biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, ireo tranonkala na marika, na olon-tsotra manokana iray mizara votoaty amin’ny anaran’ireo endri-pisian biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ny fanolorana serivisy fanateran’entana sy ankitsapaky ny marika.
  • Manandrana manome toa fanampiana na manao fanomezana vokatra paraky/nikĂ´tina, na vokatra “ENDS”.
    • Afa-tsy rehefa avoaky ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena fisiana biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, ireo tranonkala na marika, na olon-tsotra manokana iray mizara votoaty amin’ny anaran’ireo endri-pisian biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ny fanolorana serivisy fanateran’entana sy ankitsapaky ny marika.
  • Mangataka vokatra paraky/nikĂ´tina, na vokatra izay misary fifohana, anisan’izany ireo karazana vokatra “ENDS” rehetra (vape tsy misy nikĂ´tina).
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
  • Votoaty avoaky ny na mampanehoeho magazay biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, orinasaorinasa, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, ireo tranonkala na marika, izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana vokatra toaka na paraky.
  • Votoaty maneho ny fidorohana vokatra paraky, nikĂ´tina na vokatra “ENDS”.
  • Votoaty izay mandrindra na mampanehoeho ny fampiasana vokatra paraky, nikĂ´tina, vokatra “ENDS” na marika paraky.
  • Votoaty maneho Vokatra Fialana Sigara
  • Votoaty miady hevitra momba ny na mampanehoeho ny fampiasana paraky, fitaovana fidorohana paraky na marika paraky
  • Votoaty hainovakijery maneho fifohana na fihinanana paraky anatina sahankevitra tsy foronin’eritreritra
    • Afa-tsy anatin’ny sahankevitry ny fampielezankevitra miady amin’ny fifohana, serivisy fanolorantsaina ho an’ny fiankinandoha amin’ny fifohana, fialana amin’ny fifohana na sahankevitra PSA.
Toaka
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra na manakalo toaka afa-tsy rehefa:
    • Avoaky ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, ireo tranonkala na marika, na olon-tsotra iray mizara votoaty amin’ny anaran’ireo orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ny manolotra serivisy fanaterana sy ankitsapaky ny marika.
    • Votoaty manondro toaka na manolotra fanasana amin’ny toeran-toaka iray izay hisy toaka hifanolorana na hosotroina eo an-toerana amin’ny hetsika, trano fisakafoana, bar na fety iray.
  • Manandrana manome toa fanampiana na manolotra toa fanomezana toaka na paraky rehefa avoaky ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, ireo tranonkala na marika, na olon-tsotra iray mizara votoaty amin’ny anaran’ireo orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na.
  • Mangataka vokatra sy zavapisotro misy alikaola.
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
  • Votoaty avoaky ny na mampanehoeho fisiana biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fisiana mpaninjara, ireo tranonkala na marika, izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana vokatra misy alikaola na zavapisotro.
  • Votoaty maneho an-tsary ny fisotroana vokatra na zavapisotro misy alikaoka na fizarana resetin’ny zavapisotro misy alikaola.
  • Votoaty manondro vokatra toaka na manolotra fanasana amin’ny toeran-toaka iray izay hisy toaka hifanolorana na hosotroina.
Fahasalamana sy Fiadanana
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
Vokatra na serivisy fampihenam-batana na fampitomboam-batana
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana, manonona na mangataka vokatra na serivisy fampihenam-batana na fampitomboam-batana.
  • Miaiky ho nampiasa na maneho an-tsary ny fampiasana vokatra fampihenam-batana na fampitomboam-batana, anatina sahankevitra mampety azy na miresaka ny akony anila.
  • Mampiseho fandrindrana na fampanehoehoana (ny tianay holazaina amin’izany dia ny miresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika ny fampiasana ny na manome torolalana hampiasana na hanamboarana) ny vokatra rezima iray.
  • Misy fanambarana fanambaniana momba ny endri-batana (izany hoe voambolana, fanoritsoritana na fanontaniana miiba sy mamely ny endriky ny olon-tsotra iray, singam-batana voatondro na fidiovana), na fanehoana an-tsary antomotra ny fari-batana iray voatondro mampiseho bontana tavy.
  • Fitokoavana fa ireo vokatra dia azo tratrarina tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’ny fampiasana vokatra azo entina, toy ny firavaka na patch ihany.
  • Mampiasa tetika jono tsindry amin’ny sahankevitra fampihenam-batana na fampitomboam-batana, toy ny fiteny mampitolagaga miaraka amin’ny fitokoavana manitatra na tafahoatra momba ny fahasalamana, na fampanantenana vokatra voatondro ao anatin’ny fe-potoana voafaritra iray tsy misy fialana andraikitra na singa famaritana.
Vokatra, Firoso na Fandidiana Kaosmetika
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana, manonona, mangataka vokatra, firoso na fandidiana kaosmetika. Anisan’izany ireo:
    • Vokatra famotsian-koditra toy ireo menaka fanosotra fampiofoan-koditra.
    • Firoso kaosmetika misy fikasana hitsabo na hanarina ny fiasa na firafitry ny tarehy na vatan’ny olona.
  • Miaiky ho nampiasa na maneho an-tsary ny fampiasana firoso na fandidiana kaosmetika iray, manasongadina ny fiantraikany miabo na miiba, na ireo akony anila.
  • Mampiseho fandrindrana na fampanehoehoana (ny tianay holazaina amin’izany dia ny miresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika ny fampiasana na manome torolalana hampiasana na hanatontosana) firoso na fandidiana kaosmetika iray.
  • Misy fanambarana fanambaniana momba ny endri-batana (izany hoe voambolana, fanoritsoritana na fanontaniana miiba sy mamely ny endriky ny olon-tsotra iray, singam-batana voatondro na fidiovana)
Fanamarihana: Tsy rakofan’ity politika ity ny fampanehoehoana fomba fampiasam-batana (toy ny Pilates) na kaosmetika vonjimaika (toy ny makiazy).
Fanao Mamitaka Momba ny Fahasalamana
  • Fitokoavana (anisan’izany ireo izay avy amin’ireo matihanina ara-pahasalamana na fikambanana momba ny fahasalamana) hoe mitsabo, manasitrana na manaisotra ny iray tsy ankanavaka amin’ireto aretina tsisy fanafany sy/na aretina amin’ny ambaratonga farany (lisitra feno) ireto: Fanamarihana: Tsy mihatra amin’ireo fitokoavana momba ny fitsaboana na fitantanana soritr’aretina momba ireo aretina ireo ity.
    • Diabeta
    • Herpès
    • TirĂ´ĂŻda
    • Psoriasis
    • Ebola
    • Homamiadana
    • Aotisma
    • Alzeimera
    • Parkinson
    • SclĂ©rose LatĂ©rale Amyotrophique (SLA)
    • VIH (virus de l'immunodĂ©ficience humaine)
  • Mampiasa tetika jono tsindry amin’ny sahankevitra fahasalamana, toy ny fiteny mampitolagaga miaraka amin’ny fitokoavana manitatra na tafahoatra momba ny fahasalamana, na fampanantenana vokany amin’ny fahasalamana voatondro ao anatin’ny fe-potoana voafaritra iray tsy misy fialana andraikitra na singa famaritana.
Vokatra fanairana ara-nofo ho an'ny olondehibe
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, mampanehoeho, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka vokatra fanairana ara-nofo ny olondehibe, ka ny tanjona lohalaharana dia ny hitaomana fahafinaretana ara-nofon’ny olona iray na hampitomboana ny fahatairana ara-nofon’ny olona iray, anatina sahankevitra foronin’eritreritra na tsy foronin’eritreritra. Anisan’izany ireo:
    • Kilalao ara-nofo
    • Vokatra erotika
    • Vokatra fanalehibeazana taovam-pananahana tsy mandidy, toy ireo vokatra manaitra filana ara-nofo na manatsara fahombiazana ara-nofo
    • Vokatra ka ny tanjona lohalaharana dia ny hitaomana filana na fahatairana ara-nofo
    • Fanehoana an-tsary ireo kilalao ara-nofo tsy misy sahankevitra mazava
Vokatra Fahasalamana na Fiadanana Ara-pananahana
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, mampanehoeho, manakalo, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka vokatra ho an’ny fahasalamana na fiadanana ara-pananahana. Anisan’izany ireo:
    • Vokatra ho an’ny Fahasalamana na Fiadanana Ara-pananahana rehefa mifantoka amin’ny fahafinaretana ara-nofo fa tsy ho an'ny tombontsoa ara-pitsaboana, anisan’izany ireo misy zavatra “phallique” na “yonique”
    • Vokatra manantomotra ireo olam-pananahana ara-nofo
    • Fandidiana taovam-pananahana kaosmetika
    • Fandidiana taovam-pananahan’olondehibe
    • Fanabeazana ara-nofo izay mifantoka amin’ny fahafinaretana ara-nofo
    • Vokatra fampiasana hormona (oh: miboost testostĂ©rone)
Bizina ara-nofon’olondehibe
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, mampanehoeho na mangataka bizina ara-nofon’ny olondehibe, izay afaka mitaona fahafinaretana ara-nofon’ny olona iray na mampitombo ny fahatairana ara-nofon’ny olona iray. Anisan’izany ireo:
    • Bizina fialambolin’olondehibe
    • Fitoeran’olondehibe
    • Serivisy ara-nofo fampianarana
Filokana sy Lalao An-jotra
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, mametra ny fahitana ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
Filokana sy Lalao An-jotra
  • Votoaty izay manandrana mivarotra, manakalo, maneho an-tsary na mampanehoeho filokana an-jotra sy serivisy filokana ahitana izay rehetra sanda ara-bola (anisan’izany ny vola tolo-botsotra na devizy nomerika/virtoaly, oh: bitcoin) dia takina hilalaovana sy izay rehetra sanda ara-bola dia tafiditra ao anatin’ny loka. Anisan’izany saingy tsy voafetra amin’ny:
    • Lalaon’ny talenta, loteria/tombola, filokana, filokana amin’ny fanatanjahantena, lalao casino, lalao tsapatsapa vintana na antsapaka/fisarihana loka.
    • Lalao filokana manolotra vanim-potoana fanandramana voafetra sy mitaky fandoavam-bola aorian’izay.
Lalao Casino Sosialy
  • Votoaty izay manandrana mivarotra, manakalo, maneho an-tsary na mampanehoeho lalao casino sosialy izay misary lalao filokana, toy ny machine Ă  sous, ka tsy misy fanararaotra hahazoana vola na sanda ara-bola. Anisan’izany ny votoaty izay manondro ilay fanararaotra hahzoana “vola madinika” tsy manana sanda ara-bola.
Lalao lalaovina maimaimpoana manana sahankevitra Filokana
  • Votoaty izay manandrana mivarotra, manakalo, maneho an-tsary na mampanehoeho lalao lalaovina maimaimpoana izay mitaona amin’ny fanaovana lalao filokana, ka izay rehetra manan-tsanda ara-bola dia tsy takina hilalaovana ilay lalao, saingy mety misy fanararaotra hahazoana vola na sandan’ny vola.
Karazan-javaboary atahorana ho lany tamingana sy arovana (biby dia sy zavamaniry)
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana na mangataka karazan-javaboary atahorana ho lany tamingana na ny singan’izy ireo na ireo karazan-javamaniry arovana.
  • Miaiky ho nanao, na mamporisika, fihazana tsy ara-dalĂ na, fividianana na fanakalozana karazana atahorana ho lany tamingana na ny singan’izy ireo nataon’ny ilay mpamoaka ny votoaty na izy tenany na ireo mpiara-miasa aminy amin’ny alalan’ny hafa. Tsy anatin’ity ireo fanehoana fihazana tsy ara-dalĂ na ataon’olon-tsy fantatra.
  • Maneho fihazana tsy ara-dalĂ na ny karazana atahorana ho lany tamingana na ny singan’izy ireo nataon’ilay mpamoaka ny votoaty izy tenany na ireo mpiara-miasa aminy amin’ny alalan’ny hafa.
  • Mampiseho fandrindrana na fampanehoehoana (ny tianay holazaina amin’izany dia ny miresaka amin’ny fomba miabo momba ny, mamporisika ny fihazana tsy ara-dalĂ na ny, na manome torolalana) hampiasana na hanamboarana vokatra avy amin’ireo karazana atahorana ho lany tamingana na ny singan’izy ireo, na biby dia na zavamaniry atahorana ho lany tamingana tsy ankanavaka.
Biby tsy atahorana ho lany tamingana
  • Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra na manakalo biby velona tsy atahorana ho lany tamingana afa-tsy rehefa:
    • Avoaky ny Pejy, vondrona na mombamomba Instagram iray misolo tena orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na, anisan’izany ireo fihariana mpaninjara, ireo tranonkala ara-dalĂ na, ireo marika na akany fanomezam-ponenana indray, na olon-tsotra iray mizara votoaty amin’ny anaran’ireo orinasa biriky-sy-rihitra ara-dalĂ na.
    • Avoaka anatina sahankevitra fananganana, fanomezana, fangatahana na fanomezam-ponenana indray ireo biby tsy atahorana ho lany tamingana, anisan’izany ireo saran’ny fanomezam-ponenana indray ho an’ireo fananganana avy amin’ny olona ho an’ny olona
    • Fivarotana biby iray ho an’ny fanatitra ara-pivavahana, na fanolorana valisoa ho an’ny fahitana biby namana very.
    • Avoaka anatin’ny sahankevitra fivarotana biby fiompy.
    • Avoaka anatin’ny sahankevitra fividianana, fivarotana na fanomezana, fangatahana, fanomezana toa fanampiana ireo tandro-biby, taova, rantsana, karana, taxidermia, diky (tsy anisan’izany ny compost na zezika).
    • Avoaka anatin’ny sahankevitra fanolorana vokatra mifandraika amin’ny biby hojifain’olombelona toy ny: atody, trondro sns.
Asakanto Ara-tantara
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana na mangataka asakanto ara-tantara.
Entam-barotra sy Raha Mampidi-doza
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay manandrana mividy, mivarotra, manakalo, manome toa fanampiana na manao fanomezana na mangataka entam-barotra sy akora mampidi-doza.
Fivarotana Singa sy Tsiranoky ny Vatan’olombelona
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay:
  • Manandrana mividy, mivarotra na manakalo singam-batan’olombelona, na dia ankoatra ny votoaty fanondranana olombelona antsokosoko voarara araka ny politikanay momba ny Fanararaotana Olombelona.
  • Mangataka fifanakalozana tsiranok’olombelona.
  • Manandrana mividy, mivarotra na manakalo tsiranok’olombelona.
  • Afa-tsy rehefa avoaka ho an’ny fanomezana tsiranok’olombelona, toy ny ranon’aina na ranon-dra.
Entam-barotra Nampamerenina
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty manandrana mividy, mivarotra, manakalo, miara-mandrindra ny fanakalozana, manome toa fanampiana, manao fanomezana na mangataka entam-barotra nampamerenina.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Angondrakitra
Mijery ny Tatitra Fampiharana Fenitry ny Fiombonambe farany indrindra
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana mahakasika ny entam-barotra sy serivisy ferana
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay