Fanao Ara-barotra Voarara

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Izahay dia mikendry ny hiarovana ireo mpampiasa sy ireo fihariana tsy ho voafitaka amin’ny volan’izy ireo, fananan’izy ireo na fampahalalana manokan’izy ireo. Mba hanaovana izany, dia mandrara votoaty sy fitondran-tena mampiasa fanao ara-barotra voarara izahay. Anisan’izany ireo tolotra asa sandoka na fandaharanasam-panjakana, fanjonoana amin'ny alalan'ny olomalaza sy marika, tetika fampiasam-bola (anisan’izany ireo tamberim-bola azo antoka), tetika fanalefahana trosa sy fanamboarana fahana, tetika lasa-mpanankarena haingana sy ankitsapaka, tetika fiarahana mpifankatia, ary tetika fanaovana asa soa.
Manome lalana ny olona hanao fanairanan-tsaina, hanabe ny hafa, ary hanameloka ireo soloky sy ireo fanao ara-barotra voarara hafa izahay, raha toa ka tsy mamboraka na manandratra fampahalalana saropady izany.
Ho an’ireo politika mifandraika amin’ny Tahirinkevitra Voarara sy Serivisy Ara-bola, dia jereo ny Fenitry ny Fiombonambe momba ny Entam-barotra sy Serivisy Ferana.
Tsy tonga lafatra ny fampiharam-penitray, ary mety tsy hahatsikaritra ny fandikana politika rehetra izahay. Mba hamantarana bebe kokoa momba ny fomba ahafantarana votoaty mamitaka sy izay azonao atao mba hiarovana ny tenanao, dia tsidiho ny Ivon’ny Fiarovana Amin’ny Soloky.
Fampiharam-penitra
Mety handray fepetra fampiharam-penitra isan-karazany izahay, anisan’izany ny, kanefa tsy voafetra amin’ny, fanalana votoaty sy doka, fampihenana fanelezana, famerana kaonty fanaovan-doka, famerana fiasa, fitakiana fanamarinana na famonoana kaonty. Ireo fepetra ireo dia mety ho vokatry ny tsikaritray mahatsinjo mialoha, na fampahafantarana tatitra avy amin’ireo endri-pisiana atokisana sy domberin’ny mpampiasa (voasoritsoritra eo ambany).
Domberin’ny Mpampiasa
Ny domberin’ny mpampiasa dia manampy anay hamantatra fanao ara-barotra izay miteraka traikefa ratsy ho an'ny mpampiasa. Izahay dia mandanjalanja ireo fambara toy ny fironana mifanjohy na ny habetsahan’ireo domberina miiba tsy mifandanja, ary zarainay domberina sahaza ireo mpanao doka sy mpivarotra mba hahafahan’izy ireo manatsara ny votoatiny sy ny fahafahampon'ny mpanjifa. Raha mihizingizina ny domberina miiba na dia eo aza ny fampitandremana, dia mety handray ireo fepetra etsy ambony izahay, hatramin’ny famerana na famonoana ireo kaonty na endri-pisiana tompon’andraikitra. Anisan’izany ny fampiharam-penitra amin’ireo fanao toy ny:
  • Famaritam-bidy mamitaka na tafahoatra.
  • Tsy fanaterana: tsy fahavitana manatitra ireo vokatra na serivisy novidina aorian’ny nanaovana fandoavana.
  • Fanehoana vokatra tsy izy: fampanehoehoana vokatra na serivisy izay hafa ara-materialy amin’izay natao doka, anisan’izany ireo fahasamihafana lehibe amin’ny kalitao na entana tsy izy.
  • Fampandoavana tsy nahazoan-dalana: mampandoa vola amin’ny fomba fandoavan'ny mpanjifa tsy misy fanomezan-dalana mialoha na famborahana mazava.
  • Fandikana ireo politika famerenana entana na famerenam-bola: tsy fahavitana manaja ny famerenam-bola na famerenana entana.
  • Fanao famandrihana mamitaka: fampidirana mpanjifa anatin’ireo teti-pandoavana mitsingerina na serivisy famandrihana tsy misy famborahana mazava ireo fepetra.
  • Rohy izay toa mitondra any amin’ny tranonkala ara-barotra ara-dalàna kanefa mitondra any amin’ny tranonkala soloky.
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay mampiasa tetika mamitaka hamitahana olona na fihariana ho an’ny tombom-barotra na tombom-bola, anisan’izany, saingy tsy voafetra ny:
Votoaty Findramam-bola Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra indrambola mitaky amin’ilay mpampiasa ny handoavany sarany kely mialoha mba hahazoana indrambola.
  • Ireo tolotra indrambola izay manome antoka fankatoavana tsy misy fanononana masontsivana fankatoavana mahazatra, toy ny fampahalalana ara-bolan’ny mpindrana.
Votoaty Filokana Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra serivisy filokana amin’ny vola tena izy (“Vola tena izy” dia devizy amin’ny tontolo tena izy izay azo ampiasaina hividianana entana na serivisy amin’ny tontolo tena izy, anisan’izany ireo devizim-pirenena toy ny Dolara Amerikanina sy ireo devizy virtoaly toy ny Bitcoin):
    • miaraka amin’ny antoka fandresena.
    • filazana ankolaka na fiaikena ho nanao hosoka tamin’ny vokatry ny lalao na fifaninanana iray
    • fitaomana olona hanao fanamboaramboarana voka-dalao na hitady fanampiana na torohevitra momba ny fomba hanamboaramboarana vokatry ny lalao na fifaninanana iray
    • fampanehoehoana serivisy filokana amin’ny fomba mamitaka na manjavozavo (toy ny lahatsoratra tsy misy ifandraisany ampiarahina amin’ny sary/horonantsary fampanehoehoana filokana)
  • Tolotra izay mampanehoeho serivisy avy amin’ireo mpiantsehatra fantatra amin'ny filokana mamitaka.
Ireo lalao casino sosialy izay mitaona hiloka miaraka amin’ny fanararaotra hahazo vola tena izy dia fehezin'ny Fenitry ny Fiombonambenay momba ny Entana sy Serivisy Ferana.
Votoaty Fampiasambola Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra fanararaotra fampiasambola ka azo antoka na tsy misy ambana ny tamberin’ny fampiasambola.
  • Ireo tolotra fanararaotra fampiasambola ka, amin’ny ampahany na manontolo, miankina amin’ny fandraisana olon-kafa handray anjara amin’ilay tetika ireo tamberin’ny fampiasambola.
  • Ireo tolotra fanararaotra fampiasambola mitokoa na milaza fahombiazana na tamberim-pahazoana taloha mahomby mba hamoronana fampanantenana vokany ho avy mitovy amin’izany.
  • Ireo tolotra fanararaotra fampiasambola izay mitokoa tamberina haingana (toy ny anati'ny 24 ora latsaka).
  • Ireo tolotra hamadika vola manana sanda iray voatondro ho lehibe kokoa amin’ny alalan’ny famadihana na tetika na paikady misy fanononana ankitsirano “famadihana cash”, “famadihana vola” na voambolana mitovy amin’ireo.
Votoatin’ny Fikambanana Mpanao Asa Soa Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ny fangatahana vola na fanomezana fanampiana an-kosoka ho an’ny fanaovana asa soa.
Votoaty Fiarahana Mpifankatia Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Fanandramana an-kosoka hanorina fiarahana am-pitiavana an-jotra amin’ny alalan’ny fikatsahana fisakaizana na fiarahana tsy ara-nofo sy amin’ny alalan’ny fanolorana na fangatahana vola na zavatra mira aminy ho takalony.
Votoaty Fanjonoana Amin'ny Alalan'ny Marika na Olo-malaza Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo soloky fanjonoana amin'ny alalan'ny marika, izay misy fitokoavana sandoka hisolo tena na hiteny amin’ny anaran'ny, fihariana na fisiana miorina iray, miaraka amin’ny tetika mamitaka hanjonoana olona hiroboka amin’ilay votoaty amin’ny fanandramana hisoloky na hanambaka.
  • Ireo soloky fanjonoana hiroboka amin’ny alalan’ny olomalaza, izay misy fampiasana amin’ny fomba diso ny anarana, fiendrehana na sarin’ny olo-malaza iray, miaraka amin’ny tetika mamitaka mba hanjonoana olona hiroboka amin’ilay votoaty amin’ny fanandramana hisoloky na hanambaka.
Votoaty Mahalasa-mpanankarena Haingana Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra fanararaotra valisoa ara-bola tsy araka ny zava-misy ho an’ny ezaka tsy mazava na farany kely.
Votoaty Azo Tsapain-tanana, Ara-panahy na Illuminati Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra valisoa azo tsapain-tanana, toy ny vola, entana na serivisy izay manana sanda ara-bola, anisan’izany ireo devizy fizika, nomerika ary virtoaly, sy ireo entana sy serivisy fizika na nomerika ho an’ny fikambanana amin’ny na firaisana amin’ny fikambanana, fanompoana, sekta iray (ohatra: ny firahalahiana Illuminati).
  • Ireo tolotra valisoa azo tsapain-tanana ho an’ny fampiasana majia mainty na mosavy na entana majika (ohatra, mosavy, hazary manambina, sampy, tapakazo, ody, kitapombola manambina, sns.).
Votoaty Fiantohana Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra fiantohana sandoka ahena be miaraka amin’ny fangatahana sarany kely mialoha, toy ny saram-piandraiketana na petrabola antoka.
  • Ireo tolotra fiantohana sandoka ahena be miaraka amin’ny fampanantenana fitsitsiambola be amin’ny saram-piantohana mitaha amin’ireo mpandraharaha fiantohana mahazatra.
Votoatin’asa Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra asa tsy misy fampahalalana momba ilay mpampiasa sy ireo toemiavaky ny asa, milaza tsotra fotsiny fa misy toerana sahanina malalaka.
  • Ireo tolotra asa ampitain-davitra saingy ilay lohatenin’asa dia milaza ankolaka fa tsy afaka miasa ampitain-davitra ilay mpiasa.
  • Ireo tolotra asa mampanantena karama mialoha.
  • Ireo tolotra asa manome antoka fa ho azo.
  • Ireo tolotra asa miaraka amin’ny fangatahana sarany kely mialoha ny hanomezana ilay asa.
Votoaty Fanalefahana Trosa sy Fanamboarana Fahana Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo fampanantenana hanafoana na hampihena trosa amin’ny alalan’ny tetibidy iray voatondro anatin'ny vanim-potoana iray voafaritra.
  • Ireo fampanantenana hampijanona ireo fitakian-trosa na fanenjehana ara-pitsarana noho ny trosa rehetra.
  • Ireo fampanantenana hanala fampahalalan-trosa avy amin’ny tatitra momba ny trosa na hamorona “fiiziana ara-trosa” vaovao.
Votoatin’ny Ankitsapaka Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Ireo tolotra sandoka amin'ny valisoa omena antoka miendrika vola tena izy na entana fitaovam-piasana (toy ny elektronika, fiara na firavaka) tsy misy asa takina amin’ilay mpampiasa ankoatra ny fizarana fampahalalana manokana na ara-bola.
  • Ireo tolotra vola sandoka avy amin’ireo vatsy na fandaharanasan’ny governemanta.
Votoaty Fangatahana Sarany Mialoha Voarara
Anisan’izany ireo:
  • Mampanantena vola poakaty ho takalon’ny sarany kely/famindrana vola amin’ny banky/fandoavana vola mialoha.
Na eo aza ny voalaza teo aloha, izahay dia tsy mandrara votoaty izay manameloka, manaitra saim-bahoaka momba ny na manabe ny hafa momba ny soloky na fanao ara-barotra voarara hafa, tsy ahitana famborahana fampahalalana saropady na fanondrotana azy ireo.
Fanampin’ny fanalana kaonty izay mandika ny politikanay momba ny Fanao Ara-barotra Voarara, ireo rafitra ampandehanin-ko azinay dia mihevitra karazana famantarana fitondran-tena mba hahafahana mamantatra sy mametra ny fifampikasohana sy fihanjahanjana tsy nirina amin’ny fihetsika soloky angambaina.
  • Izahay dia mety hamono kaonty na hametra ny fisitrahana vokatra sy fiasa (oh: ny fahafahana mandefa hafatra amin’ny kaonty sasany) araka ny fitambaran’ny fitondrantena toy ny fandefasana hafatra tsy nirina amin’ny olona tsy arahinao, fanehoana vilana nahim-po ny toerana misy anao, na ny maha admin an’ireo fiombonambe (oh: Pejy) nesorinay noho ny fandikana ireo politikanay momba ny soloky.
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na toe-javatra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
Izahay dia mety hanala votoaty izay:
  • Misy hosoka na soloky izay notaterin’ny fisiana atokisana iray.
  • Mandray olona handray anjara amin’ny fitoriana iombonana amin’ny alalan’ny tetika mamitaka, toy ny fisandohana endri-panjakana na orinasa fampitam-baovao iray, na fampiasana fitokoavana mampitolagaga na manitatra.
  • Mahakasika ireo fisiana mandray anjara amin’ny na mitaky hiroboka amin’ny fanaovana hosoka na soloky voarindra, anisan’izany ny fampiasana kaonty maromaro amin’ireo serivisinay indray miaraka mba hanaovana hosoka.
Izahay dia manome lalana votoaty izay, ankoatra izay, voarakotr’ity politika ity rehefa avoaka amin’ny sahankevitra fanamelohana, fanabeazana, fampahatsiarovan-tsaina na fitateram-baovao.
Policy Rationale
We aim to protect users and businesses from being deceived out of their money, property, or personal information. To do so, we prohibit content and behavior that employ prohibited commercial practices. This includes false job or government program offers, celebrity and brand bait, investment schemes (including guaranteed returns), debt relief and credit repair schemes, get-rich-quick and giveaway schemes, romance schemes, and charity schemes.
We allow people to raise awareness of, educate others about, and condemn scams and other prohibited commercial practices, provided they do not reveal sensitive information or promote them.
For policies related to Prohibited Documents and Financial Services, see the Restricted Goods and Services Community Standards.
Our enforcement isn’t perfect, and we may not detect all policy violations. To learn more about how to spot deceptive content and what you can do to help protect yourself, visit our Scam Protection Center.
Enforcement
We may take a range of enforcement actions, including but not limited to removing content and ads, reducing distribution, restricting advertising accounts, limiting features, requiring verification, or disabling accounts. These actions may result from our own proactive detection, or be informed by reports from trusted entities and user feedback (described below).
User Feedback
User feedback helps us identify commercial practices that create poor user experiences. We consider signals such as consistent patterns or disproportionate volumes of negative feedback, and we share relevant feedback with advertisers and sellers so they can improve their content and customer satisfaction. Where negative feedback persists despite warnings, we may take the actions above, up to restricting or disabling the responsible accounts or entities. This includes taking enforcement on practices such as:
  • Misleading or unreasonable pricing.
  • Non-delivery: failure to deliver purchased products or services after payment has been made.
  • Product misrepresentation: promoting products or services that materially differ from what was advertised, including significant discrepancies in quality or incorrect items.
  • Unauthorized charges: charging a customer’s payment method without prior authorization or clear disclosure.
  • Violation of return or refund policies: failure to honor stated refund or return policies.
  • Deceptive subscription practices: enrolling customers in recurring payment plans or subscription services without clear disclosure of terms.
  • Links that appear to lead to legitimate commercial sites but instead lead to scam sites.
We do not allow:
Content that uses deceptive tactics to mislead people or businesses for commercial or financial gain, including but not limited to:
Prohibited Loan Content
This includes:
  • Loan offers requiring the user to pay an upfront fee to obtain a loan.
  • Loan offers that guarantee approval without any mention of standard approval criteria, such as financial information from the borrower.
Prohibited Gambling Content
This includes:
  • Offers of real money gambling services (“Real money” is real-world currency that can be used to buy goods or services in the real world, including national currencies such as U.S. Dollars and virtual currencies such as Bitcoin):
    • with a guarantee of winning.
    • implying or admitting to have rigged the outcome of a game or match
    • soliciting people to enable match fixing or looking for help or tips on how to fix a match or game
    • promoting gambling services in deceptive or obfuscated ways (such as unrelated text paired with a gambling promo image/video)
  • Offers that promote services from known deceptive gambling vendors.
Social casino games that simulate gambling with no opportunity to win real money are covered by our Community Standard for Restricted Goods and Services.
Prohibited Investment Content
This includes:
  • Offers of investment opportunities where returns on investment are guaranteed or risk-free.
  • Offers of investment opportunities where returns on investment or compensation is partly or fully based on recruitment of others to participate in the scheme.
  • Offers of investment opportunities claiming or referencing successful past performance or returns to create an expectation of similar future results.
  • Offers of investment opportunities that claim quick returns (such as under 24 hours).
  • Offers to turn a certain sum of money into a larger one through flipping or trick or strategy involving explicit mentions of “cash flip,” "money flip,” or similar terminology.
Prohibited Charity Content
This includes:
  • Fraudulent requests for money or donations for charitable causes.
Prohibited Romance Content
This includes:
  • Fraudulent attempts to establish online romantic relationships by seeking non-sexual companionship or relationship and offering or asking for money or its equivalent in exchange.
Prohibited Brand or Celebrity-Bait Content
This includes:
  • Brand-bait scams, which involve falsely claiming to represent, or speak in the voice of, an established business or entity, together with misleading tactics to bait people into engaging with the content in an attempt to scam or defraud.
  • Celebrity-bait scams, which involve falsely using the name, likeness, or imagery of a public figure, together with misleading tactics to bait people into engaging with the content in an attempt to scam or defraud.
Prohibited Get Rich Quick Content
This includes:
  • Offers of opportunities of unrealistic financial reward for unclear or minimal effort.
Prohibited Tangible, Spiritual or Illuminati Content
This includes:
  • Offers tangible rewards, such as money, goods, or services that have a monetary value including physical, digital and virtual currencies, and physical or digital goods and services for membership in or joining an association, cult, religious sect (for example, the Illuminati brotherhood).
  • Offers tangible rewards for using black magic or spells or magical items (for example, spells, lucky charms, amulets, tokens, potions, magic wallet, etc.).
Prohibited Insurance Content
This includes:
  • Offers of false, heavily discounted insurance with requests for an up-front fee, such as an administration fee or deposit.
  • Offers of false, heavily discounted insurance with promises of significant savings on insurance compared to conventional insurance providers.
Prohibited Job Content
This includes:
  • Offers of jobs containing no information about the employer and job specifications, simply referencing job vacancies.
  • Offers of work from home but the job title implies the employee cannot WFH.
  • Offers of jobs with advance promises of salary.
  • Offers of guaranteed jobs.
  • Offers of jobs with a demand for an advance fee before the job is granted.
Prohibited Debt Relief and Credit Repair Content
This includes:
  • Promises to eliminate or reduce debt by a particular amount in a set period of time.
  • Promises to stop all debt collections or lawsuits.
  • Promises to remove credit information from credit reports or create new "credit identity."
Prohibited Giveaway Content
This includes:
  • False offers of a guaranteed reward of real money or consumer goods (such as electronics, vehicles, or jewelry) without any action required by the user beyond sharing personal or financial information.
  • False offers of money from government grants or programs.
Prohibited Advance Fee Content
This includes:
  • Falsely promises money in exchange for an up-front fee/wire transfer/payment.
Notwithstanding the above, we do not prohibit content that condemns, raises awareness of, or educates others about scams or other prohibited commercial practices, without either revealing sensitive information or promoting them.
In addition to removing accounts that violate our Prohibited Commercial Practices policy, our automated systems consider a range of behavioral signals to help identify and limit unwanted contact and exposure to potential scam activity.
  • We may disable accounts or restrict access to products and features (e.g. the ability to message certain accounts) based on a combination of behaviors such as sending unsolicited messages to people who you do not follow, deliberately misrepresenting your location, or being an admin of communities (e.g. Pages) we have removed for violating our scam policies.
For the following Community Standards, we require additional information and/or context to enforce:
We may remove content that:
  • Involves frauds or scams that have been reported by a trusted entity.
  • Recruits people to participate in class action lawsuits using deceptive tactics, such as impersonating a government entity or news outlet, or using sensationalist or exaggerated claims.
  • Involves entities participating in or claiming to engage in organized fraud or scam behavior, including the use of multiple accounts on our services in concert to perpetrate fraudulent behaviors.
We allow content that is otherwise covered by this policy when posted in condemnation, educational, awareness raising, or news reporting contexts.