Fanimbazimbana Fitanan-tsiambaratelo

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Ireo serivisinay dia mikendry ny hiarovana ny fitanan-tsiambaratelo sy ny fampahalalana manokan’ireo mpampiasanay. Miasa mafy izahay mba hikajiana ny fiizianao manokana sy ny fampahalalanao, ary tsy manome lalana ny olona hamoaka karazana fampahalalana manokana na tsiambaratelo sasany momba ny tenan’izy ireo na ny hafa izahay. Manome ny olona fomba hitaterana sary izay inoan’ny olona fa manitsakitsaka ny zo fitanan-tsiambaratelon’izy ireo ihany koa izahay.
Manala izay votoaty mizara, manolotra na miangavy na fampahalalana ahafantarana ny tena na fampahalalana manokana hafa izay mety hiteraka fahavoazana ara-batana na ara-bola izahay, anisan’izany ny fampahalalana momba ny vola sy fonenana ary fitsaboana, ary koa ny fampahalalana manokana azo avy amin’ny loharano tsy ara-dalàna. Miaiky koa izahay fa ny fampahalalana manokana dia mety ho lasa azo sitrahin’ny daholobe amin’ny alalan’ny tati-baovao, antontan-taratasy momba ny fitsarana, famoahana an-gazety na loharano hafa. Rehefa izay no mitranga, dia mety havelanay apetaka ilay fampahalalana.
Manana famerana fanampiny ho an’ireo votoaty andoavam-bola izahay. Na dia manome lalana ireo doka manolotra traikefan’ny mpampiasa miabo amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny tsipirian’ny vokatra na serivisy aza izahay, dia manala doka izay mitrandraka ny haterena manokann’ireo mpampiasa, miseho toa manao fanasokajiana miiba na tsy marina momba azy ireo na milaza ankolaka ny fahalalana fampahalalana manokana saropady. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ireo fitsipiky ny fitanan-tsiambaratelonay ho an’ny votoaty andoavam-bola, dia jereo ny Fenitry ny Fanaovan-dokanay momba ny Fandikana Fitanan-tsiambaratelo sy Toetra Manokana.
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty mizara na mangataka fampahalalana manaraka ireto, na amin’ireo serivisinay izany na amin’ny alalan’ireo rohy ivelany, araka izao manaraka izao:
Fampahalalana ahafantarana manokana (FAM)
  • Votoaty mizara Fampahalalana Ahafantarana Manokana (fampahalalana izay ahafantarana manokana ny olon-tsotra iray) amin’ilay mpamoaka votoaty na ny hafa. Anisan’izany:
    • Laharam-pamantarana nasionaly, toy ireo laharan’ny fiahiana sosialy (SSN), laharan’ny pasipaoro na laharam-pamantarana mpandoa hetra isanisany (ITIN).
    • Laharam-pamantarana ara-panjakana ny mpitandro filaminana, miaramila na mpiambina.
    • Rejisitra na taratasy ofisialin’ny soram-piankohonana toy ny mariazy, fahaterahana, fahafatesana, fanovana anarana na famantarana fananahana
    • Taratasin’ny toe-pifindramonina sy toe-piasana, toy ny green card, permis de travail na visa
  • Votoaty mangataka Fampahalalana Ahafantarana Manokana an’ny hafa
Fomba Fifandraisana Manokana
  • Fomba mizara fomba fifandraisana manokan’ny hafa, afa-tsy rehefa ataon’ilay olon-tsotra ho an’ny daholobe na rehefa zaraina na iangaviana hampiroboroboana tolona asa soa, hanamorana fahitana olona na biby very na tompon’ny zavatra very, na hifandraisana amina fihariana iray na mpamatsy serivisy (afa-tsy voafaritra fa zaraina tsy misy faneken’ilay olon-tsotra ilay fomba fifandraisana manokana).
Fampahalalam-ponenana
  • Votoaty mizara adiresim-ponenan’ny hafa manokana sy feno, anisan’izany ny anarana building na hombon-toerana amina sarintany manondro ilay adiresy (na dia anatin’ny rohy iray ivelan’ny vovonana aza ireo hombon-toerana, afa-tsy amin’ireto sahankevitra manaraka ireto:
    • rehefa zaraina hanandratana tolona asa soa, hanamorana ny fahitana olona na biby very, na tompon’ny zavatra very, na hifandraisana amin’ny fihariana iray na mpamatsy serivisy
    • rehefa fonenana ofisialy na masoivoho omena mpiandraiki-draharaham-panjakana ambony iray ilay fonenana
  • Votoaty mizara adiresim-ponenana manokan’ny hafa (afa-tsy rehefa fonenana ofisialy na masoivoho omena mpiandraiki-draharaham-panjakana ambony iray ilay fonenana):
    • Rehefa zaraina amin’ny sahankevitry ny fikarakarana fihetsiketsehana na fanarahamaso ilay mponina ary fantatra amin’ny iray amin’ireto manaraka ireto ny toerana misy ilay fonenana:
      • Lalana
      • TanĂ na na fari-bohitra (ho an’ireo tanĂ na misy mponina latsaka ny 50.000)
      • Kaody paositaly
      • Pin GPS na pin amin’ny sarintany iray ahafantarana ny iray amin’ireto (na dia anatin’ny rohy ivelan’ny vovonana iray aza ireo pin)
    • Sary mampiseho ny endrika ivelan’ny fonenana manokana raha mihatra daholo ireto fepetra manaraka ireto:
    • Ny fonenana dia tranon’ny ankohonana tokana iray, na voalaza anatin’ilay sary/maribolana ny laharan’ny efitrano/anaran’ny building an’ilay mponina.
    • Ny toerana misy an’ilay fonenana dia fantatra amin’ny iray amin’ireto manaraka ireto:
      • Lalana
      • TanĂ na na fari-bohitra (ho an’ireo tanĂ na misy mponina latsaka ny 50.000)
      • Kaody paositaly
      • Pin GPS na pin amin’ny sarintany iray ahafantarana ny iray amin’ireto (na dia anatin’ny rohy ivelan’ny vovonana iray aza ireo pin)
    • Ahafantarana ny(ireo) mponina ilay votoaty.
    • Na manohitra ny famborahana ny fonenany manokana io mponina io, na misy sahan-kevitra fikarakarana fihetsiketsehana anoherana an’ilay mponina.
    • Ny sarin’ilay fonenana dia tsy zaraina satria ilay fonenana no ifantohan’ny tantaram-baovao iray (afa-tsy rehefa zaraina amin’ny sahankevitra fikarakarana fihetsiketsehana anoherana ilay mponina)
  • Votoaty mangataka fampahalalam-ponenana manokan’ny hafa (afa-tsy rehefa fonenana ofisialy na masoivoho omena mpiandraiki-draharaham-panjakana ambony iray ilay fonenana)
  • Votoaty mangataka toerana misy ireo trano fierena na mamboraka fampahalalana momba ireo trano fierena amin’ny alalan’ny fizarana ny iray amin’ireto ambany ireto (afa-tsy rehefa mampiroborobo amin’ny fomba mavitrika ny fampahalalana momba ny foto-drafitr’asany ilay trano fierena)
    • Tena adiresy (Fanamarinana: “Boaty paositaly ihany” no omen-dalana)
    • Sarin’ny trano fierena
    • TanĂ na/fari-bohitra azo fantarina misy ilay trano fierena
    • Fampahalalana mamboraka ny fiizian’ireo mponin’ilay trano fierena.
Fampahalalam-pitsaboana
  • Votoaty mizara na manontany fampahalalan’ny olonna hafa momba ny fitsaboana, fahasalaman-tsaina, biometrika na fototarazo/fanaranahana (anisan’izany rehefa aseho hitan’ny maso na zaraina amin’ny alalan’ny horonampeo na horonantsary), rehefa mazava fa avy amin’ny raki-pitsaboana na tahirinkevitra ofisialy hafa izany.
Fampahalalana ara-bola
  • Votoaty mizara na mangataka fampahalalana ara-bola manokana momba ilay mpamoaka votoaty na ny hafa, faritana hoe fampahalalana momba ny toe-bola manokan’ny olona iray, anisan’izany ny:
    • Rakitra na fanambarana momba ny toe-bola tsy miharihary amin’ny daholobe.
    • Laharan-kaonty banky misy kaody fahalemana na kaody pin.
    • Fampahalalan’ny fomba fandoavana nomerika misy rakitatitra amin’ny antsipiriany, kaody fahalemana na kaody pin.
    • Fampahalalan’ny karatra fisintonam-bola miaraka amin’ireo daty mampanan-kery na pin na kaody fahalemana.
  • Votoaty mizara na mangataka fampahalalana ara-bola tsy daholobe ana fihariana na fikambanana iray, faritana hoe fampahalalana momba ireo toe-bolan’ny fihariana na fikambanana iray, afa-tsy rehefa tam-boalohany nozarain’ilay fikambanana izy tenany (anisan’izany ireo fizarana any aoriana tsy misy fiovan’ny sahan-kevitra tam-boalohany) na zaraina amin’ny alalan’ny fitakiana fanaovan-tatitra daholobe (ohatra araka ny takin’ny fifanakalozan-tahiry na sampan-draharaha mpampanoa didy amam-pitsipika), anisan’izany:
    • Rakitra na fanambarana toe-bola tsy daholobe
    • Laharan-kaonty banky miaraka amin’ny kaody fahalemana na kaody pin.
    • Fampahalalan’ny fomba fandoavana nomerika miaraka amin’ny rakitatitra antsipiriany, kaody fahalemana na kaody pin.
Fampahalalana azo tamin’ireo loharano voapiraty
  • Votoaty tokoavin’ilay mpamoaka na hamafisina ho avy amin’ny loharano voapiraty iray, tsy anavahana na olom-bahoaka na olon-tsotra ilay olona voakasika.
Mety halana ireto votoaty manaraka ireto:
  • Sary na horonantsarin’olona notaterina iray ka ilay olona aseho anatin’ilay sary dia:
    • Zaza tsy ampy taona iray latsaka ny 13 taona, ary notaterin’ilay zaza tsy ampy taona na ray/reny iray na mpiahy iray ilay votoaty.
    • Zaza tsy ampy taona iray eo anelanelan’ny 13 sy 18 taona, ary notaterin’ilay zaza tsy ampy taona ilay votoaty.
    • Olon-dehibe iray, rehefa notaterin’ilay olon-dehibe avy any ivelan’i Etazonia ilay votoaty ary mety hanome zo hanalana azy ny lalĂ na manan-kery.
    • Izay olona sembanan-javatra sy tsy afaka mitatitra an’ilay votoaty izy tenany.
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
  • Fanehoana Olon-tsotra & Fotodrafitrasan’ny Fitsaboana, faritana hoe votoaty izay mampiseho olon-tsotra iray amin’ny fotodrafitrasa ho an’ny fitsaboana na fahasalamana iray na olon-tsotra na zaza tsy ampy taona manokana iray miditra na mivoaka amin’ny fotodrafitrasan’ny fitsaboana na fahasalamana iray, ary taterin’ny:
    • Ilay olona anatin’ny sary
    • Solontenan’ilay olona amin’ilay sary
    • Ny fotodrafitrasa ho an’ny fitsaboana na fahasalamana miaraka amin’ireo andraikitra fikarakarana ilay olona amin’ilay sary, na
    • Ny fotodrafitrasa ho an’ny fitsaboana na fahasalamana izay mampiasa ilay olona amin’ilay sary
  • Akora loharano izay milaza fa mamboraka fampahalalana tsy daholobe misy ifandraisany amin’ny fifidianana iray zaraina toa ampahan’ny hetsika fitaoman’ny governemanta vahiny iray.
    • Manala ny fanaovan-tatitra momba ny famborahana toy izany ataon’ireo fisiana haino vaky jery fehezin’ny fanjakana amin’ilay firenena ambadik’ilay famborahana izahay.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana momba ny fanitsakitsahana fitanan-tsiambaratelo
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay