Fampahalalan-diso
Tsipirian'ny politika
MANOVA RAKITATITRA
Androany
2025 Avr 8
2025 Mar 14
2025 Jan 8
2024 Jol 19
2024 Jol 10
2024 Jon 11
2024 Mey 21
2024 Feb 7
2023 Des 6
2023 Sep 30
2023 Jol 15
Anton’ny Politika
Samy hafa ny fampahalalana diso sy ireo karazan-dresaka hafa tomorina ao amin’ny Fenitry ny Fiombonambenay, satria tsy misy fomba handrafetana lisitra mahafaoben’ireo zavatra voarara. Amin’ny herisetra mahatsiravina na fitondrantena mankahala, ohatra, ny politikanay dia manambara ilay votoaty raranay, na ireo olona tsy miombon-kevitra amin’ireo politika ireo aza dia afaka manaraka azy ireo. Amin’ny fampahalalan-diso, kosa, tsy afaka manome andalan-teny toy izany izahay. Miova tsy tapaka izao tontolo izao, ary izay marina amin’ny minitra iray dia mety ho tsy marina amin’ny minitra manaraka. Manana ambaratongam-pampahalalana samy hafa ihany koa ny olona momba ny tontolo manodidina azy ireo, ary mety hino hoe marina ny zavatra iray nefa tsy marina akory. Ny politika iray mandrara tsotra izao ny “fampahalalana diso” dia tsy manome fampandrenesana mahasoa ny olona mampiasa ny taoraraharanay ary tsy ho azo hampiharina, satria tsy manana fisitrahana tonga lafatra amin’ilay fampahalalana izahay.
Toy izay izany, ireo politikanay dia mandrafitra sokajim-pampahalalana samy hafa sy manandrana manome torolalana mazava momba ny fomba fanatomoranay io lahateny io rehefa mahita azy izahay. Ho an’ny sokajy tsirairay, ny fanatomoranay dia ahitana taratra ny fanandramana mamifandanja ny soatoavinay momba ny fanehoan-kevitra, ny aroloza, ny voninahitra, ny maha-to ary ny fitanan-tsiambaratelo.
Manala ny fampahalalana diso izahay rehefa mety hirotsaka mivantana amin’ny tandindondoza mampisy fahavoazam-batana mananontanona io. Manala ireo votoaty mety hirotsaka mivantana amin’ny fitsabahana amin’ny fiasan’ireo fikirakirana politika ihany koa izahay. Amin’ny famaritana izay mandrafitra ny fampahalalan-diso anatin’ireo sokajy ireo, izahay dia miara-miasa amin’ireo matihanina mahaleotena manana fahalalana sy traikefa mba hanombanana ny fahamarinan’ny votoaty sy raha mety hirotsaka mivantana amin’ny tandindondoza hampisy fahavoazana mananontanona io na tsia. Anisan’izany, ohatra, ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana momba ny zon’olombelona manana fisiana ifotony ao amin’ny firenena iray mba hamaritana ny fahamarinan’ny tsaho iray momba ny fifandiran’olom-pirenena.
Ho an’ny fampahalalana diso hafa rehetra, izahay dia mifantoka amin’ny fampihenana ny taha-pisiany na amin’ny famoronana tontolo mampiroborobo fifampiresahana mamokatra. Fantatray fa matetika ny olona dia mampiasa fampahalalana diso amin’ny fomba tsy manimba, toy ny hisintonana lakolosy momba ny hevitra iray Ity ekipa ity no manana raki-java-bita ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena!”) na amin’ny fomba misangisangy na mandrabirarby (“Nibata ny amboara Vady Tsara Indrindra tamin’ity Taona ity ny vadiko”). Mety hizara ny traikefany amin’ny alalan’ny story misy tsy fahamarinana ihany koa izy ireo. Amin’ny tranga sasany, ny olona dia mizara hevitra manokana lalim-paka izay heverin’ny hafa ho diso na mizara fampahalalana izay inoan’izy ireo ho marina saingy heverin’ny hafa ho tsy feno na mamitaka.
Miaiky izahay fa fahita ny lahateny toy izany, ka mifantoka amin’ny fanomezana fampahalalana manampy ireo mpampiasa izahay rehefa misy votoaty mety hamitaka na hampisavorovoro saina. Toa ampahan’izany ezaka izany, ivelan’i Etazonia, izahay dia miara-miasa amin’ireo fikambanana mpanamarin-javamisy antoko fahatelo ao amin’ireo faritra maro eran’izao tontolo izao mba handinihana sy hitsarana ny fahamarinan’ny ankamaroan’ny votoaty viraly amin’ireo vovonanay (jereo ato sy ato ho an’ny fanantomoranay ao Etazonia). Manomboka ao Etazonia, ny fandaharanasa Fanamarihan'ny Fiombonambe dia mamla ny olona manampy sahankevitra bebe kokoa amin’ireo petadrindrina Facebook sy Instagram ary Threads izay mety hamitaka na hampisavorovoro saina (jereo ato). Manome entimanana ihany koa izahay hampitomboana ny fahaizana haino vaky jery sy kajimirindra mba hahafahan’ny olona manapa-kevitra hoe inona no hovakina sy hatokisana ary hozarain’ny tenany. Takinay amin’ny olona ny hamborahan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fitaovana famborahan’ny AInay, isaky ny mamoaka votoaty organika misy horonantsary tena sarin-java-misy na horonampeo tena feon-java-misy izay noforonina na nasiam-panovana tamin’ny fomba nomerika izy ireo, ary mety hampihatra sazy izahay raha tsy mahatontosa izany izy ireo. Mety hanampy etikety iray amin’ny votoaty noforonina na nasiam-panovana tamin’ny fomba nomerika sasany izay mamorona tandindon-doza izay ambony manokana ho mamitaka olona momba ny raha manan-danja amin’ny vahoaka ihany koa izahay.
Farany, mandrara votoaty sy fitondran-tena amin’ny sehatra hafa izay matetika mifanosona amin’ny fiparitahan’ny fampahalalana diso izahay. Ohatra, ny Fenitry ny Fiombonambe dia mandrara kaonty fako, hosoka ary fitondran-tena tsy to voarindra.
Arakaraka ny iovan’ny sy ivoaran’ny tontolo an-jotra sy tsy an-jotra, dia hanohy hampivoatra ireto politika ireto izahay. Ireo kaonty izay imbetsaka mizara ny fampahalalana diso voatanisa eo ambany dia mety, fanampin’ny fampiharana ny votoatin’izy ireo araka ity politika ity, hahazo fanelezana ahena, famerana ny fahafahan’izy ireo manao doka, na esorina tamin’ireo vovonanay. Ny mety hahitana fampahalalana fanampiny momba izay hitranga rehefa manala votoaty i Meta dia ato.
Toromarika
Fampahalalan-diso esorinay:
Manala ireto fampahalalan-diso manaraka ireto izahay:
I. Ratram-batana na Herisetra
Izahay dia manala fampahalalan-diso na tsaho tsy hay hamarinina izay nofaritan’ireo mpiara-miombon’antoka aminay fa angambaina hiteraka mivantana tandindon-doza herisetra na fahavoazam-batana mananontanona ho an’ny olona. Ny fampahalalan-diso dia faritanay hoe votoaty misy fanambarana iray izay faritan’ny antoko fahatelo manam-pahefana iray hoe diso. Ny tsaho tsy hay hamarinina dia faritanay hoe fitokoavana iray izay hamafisin’ireo mpiara-miombon’antoka za-draharaha fa sarotra fantarina tanteraka na tsy hay fantarina mihitsy ny loharano niaviany, izay tsy manana loharano manam-pahefana, izay tsy misy toe-piavahana ampy hahafahana manaporofo ny mahadiso ilay fitokoavana, na izay tsy araka ny tokony ho izy loatra na tsy mitombina loatra ka sarotra inoana.
Fantatray fa indraindray ny fampahalalan-diso izay mety toa tsy misy atahorana dia mety, anatina sahan-kevitra iray voatondro, miteraka kinanga fahavoazana tsy an-jotra, anisan’izany ny fandrahonana hanao herisetra izay mety hiteraka fitomboana kinanga fahafatesana, ratra mafy na fahavoazam-batana hafa. Izahay dia miara-miasa amina tambajotra maneran-tanin’ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG), fikambanana tsy itadiavan-tombony, fikambanana mpiahy ny mahaolona ary ireo fikambanana iraisam-pirenena izay manana fahaiza-manao amin’ireto herinketsika ifotony ireto.
Any amin’ireo firenena mandalo korontana be ambana hampisy herisetra ara-piarahamonina, izahay dia miasa am-pitsinjovana mialoha miaraka amin’ireo mpiara-miombon'antoka eo an-toerana mba hahatakarana hoe fanambarana diso inona avy no miteraka ambana hampisy fahavoazam-batana mananontanona. Avy eo izahay miasa hamantarana sy hanalana ireo votoaty manao ireny fanambarana ireny amin’ny vovonanay. Ohatra, amin’ny fifampidinihana amin’ireo manam-pahaizana eo an-toerana, izahay dia mety hanala haino vaky jery ivelan’ny sahan-kevitra izay manambarana vilana ho maneho fihetsika herisetra, olona lasibatra na mpanao herisetra, fitaovam-piadiana na forongomafin’ny miaramila.
II. Fampahalalan-diso manimba momba ny fahasalamana
Izahay dia maka hevitra amin’ireo fikambanana sangany momba ny fahasalamana mba hamantarana ireo fampahalalan-diso momba ny fahasalamana angambaina hiteraka mivantana fahavoazana mananontanona ny fahasalamam-bahoaka sy ny aroloza-bahoaka. Anisan’ireo fampahalalan-diso manimba momba ny fahasalamana izay esorina ireto manaraka ireto:
- Fampahalalan-diso momba ny vakisiny. Izahay dia manala ireo fampahalalan-diso, voalohany indrindra, momba ny vakisiny rehefa manao tsoa-kevitra ireo manam-pahefana momba ny fahasalamam-bahoaka fa diso sy angambaina hiteraka mivantana fandavana vakisiny mananontanona ilay fampahalalana. Anisan’ireny ny hoe:
- Ny vakisiny dia mahatonga ny autisme -Oh: “Ny fitomboan’ny fanaovam-bakisiny no mahatonga ny ankizy maro be ho voan’ny autisme amin’izao fotoana izao.”)
- Miteraka fahafatesan-jaza tampoka ny vakisiny (Oh: “Angaha tsy fantatrao fa mahatonga ny fahafatesan-jaza tampoka ny vakisiny?”
- Ny vakisiny ihany no mahatonga ilay aretina izay natao hiadivany, na mahatonga ny olona atao vakisiny ho mety ho voan’ilay aretina kokoa ((Oh: “Ny fanaovana vakisiny no mahatonga anao ho mety mora voan’ilay aretina kokoa, satria misy tsimok’ilay aretina ao anatiny. Mitandrema!”)
- Ny vakisiny na ireo kanonkanona mandrafitra azy dia mahafaty, manapoizina, manimba na mampidi-doza (Oh: “Mazava ho azy, afaka manao vakisiny ianao, raha tsy mampaninona anao ny mampiditra poizina ao amin’ny vatanao.”)
- Ny hery fanefitra voajanahary dia azo antoka kokoa noho ny hery fanefitra azo amin’ny vakisiny (Oh: “Azo antoka kokoa ny tonga dia manao voan’ilay aretina toy izay ny vakisiny.”)
- Mampidi-doza ny manao vakisiny maromaro ao anatin’ny vanim-potoana fohy, na dia araka ny toromariky ny mpitsabo aza ilay laha-potoana (Oh: “Aza manao vakisiny mihoatra ny iray indray miaraka na oviana na oviana, fa mampidi-doza izany! Tsy raharahaiko izay tenenin’ny dokoteranao anao!”)
- Ireo vakisiny dia tsy mandaitra amin’ny fisorohana ilay aretina izay natao hiadivany. Kanefa ho an’ny vakisinin’ny COVID-19, gripa ary tazomoka, izahay dia tsy manala ireo fanambarana hoe ireny vakisiny ireny dia tsy mandaitra amin’ny fisorohana ny fahazoan’ny olona iray ireo viriosy ireo. (Oh: Manala – “Ny vakisinin’ny polio dia tsy manao na inona na inona manakana anao tsy ho voan’ilay aretina”; Manala – “Ny vakisiny dia tsy manao na inona na inona manakana anao ho voan’ny aretina”; Manome lalana – “Tsy manakana anao tsy ho voan’ny COVID-19 ny vakisiny, ka izany no mahatonga anao mbola mila manalavitra olona sy manao arovavaorona rehefa misy olona manodidina anao.”)
- Tsy miteraka fahafatesana ny kitrotro (mitaky fampahalalana sy/na sahan-kevitra fanampiny) (Oh: “Aza matahotra ho voan’ny kitrotro izany, fa tsy mahafaty io.”)
- Ny Vitamine C dia mandaitra toy ny vakisiny ihany amin’ny fisorohana aretina efa misy vakisiny.
- Fampahalalan-diso momba ny fahasalamana mandritra ny hamehana ara-pahasalamam-bahoaka. Izahay dia manala fampahalalan-diso mandritra ny hamehana ara-pahasalamam-bahoaka rehefa manao tsoa-kevitra ny manam-pahefana momba ny fahasalamam-bahoaka fa diso ary angambaina hiteraka mivantana fahavoazam-batana mananontanona ilay fampahalalana, anisan’izany ny hoe ny kinanga hampisy olon-tsotra ho voa na hanaparitaka areti-mandoza iray na handà vakisiny miady aminy. Izahay dia mamaritra hamehana ara-pahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo manam-pahefana momba ny fahasalamana ifotony.
- Manandratra na manohana fanafana zava-mahagaga manimba ho an’ireo olana ara-pahasalamana. Anisan’ireny ireo fitsaboana misy fampiharana atoro, anatina sahan-kevitra fahasalamana iray, izay angambaina hiteraka mivantana kinanga ratra mafy na fahafatesana, ary ilay fitsaboana tsy manana fampiasana ara-pahasalamana ara-drariny sy hitsiny (oh: ranon-javely, famonoan-tsimoka, paomady mainty, soude caustique).
III. Fitsabahana amin’ny Safidin’ny Mpifidy na Fanisam-bahoaka
Anatin’ny ezaka fanandratana ny maha iray tsy anombinana ny fifidianana sy ny fanisam-bahoaka, izahay dia manala izay fampahalalan-diso miteraka mivantana kinanga fitsabahana amin’ny fahafahan’ny olona mandray anjara amin’ireny firoso ireny. Anisan’izany ireto manaraka ireto:
- Fampahalalan-diso momba ireo daty, ireo toerana, ireo fotoana ary ireo fomba fandatsaham-bato, fisoratana anaran’ny mpifidy na fandraisana anjara amin’ny fanisam-bahoaka.
- Fampahalalan-diso momba ny hoe iza no afaka mandatsa-bato, fahafenoana fepetra ahafahana mandatsa-bato, na hisaina na tsia ny vato iray, ary fampahalalana na raha inona no tsy maintsy omena mba hahafahana mandatsa-bato.
- Fampahalalana-diso momba ny hoe milatsaka ho fidina na tsia ny kandidĂ iray.
- Fampahalalan-diso momba ny hoe iza no afaka mandray anjara amin’ilay fanisam-bahoaka sy fampahalalana na raha inona no tsy maintsy omena mba hahafahana mandray anjara.
- Fampahalalan-diso momba ny fidiran’ny fanjakana amin’ilay fanisam-bahoaka, anisan’izany, raha misy idirany, hoe hozaraina amin’ny sampandraharaham-panjakana (tsy misahana fanisam-bahoaka) iray hafa ny fampahalalana ara-panisana momba ny olon-tsotra iray.
- Fitokoavana diso na tsy voamarina fa ny U.S. U.S. Immigration and Customs Enforcement (ICE) dia ao amin’ny toerana fandatsaham-bato iray.
- Fitokoavana diso ankitsirano hoe ho voan’ny COVID-19 (na areti-mifindra iray hafa) ny olona raha mandray anjara amin’ilay latsa-bato.
- Fitokoavana diso momba ireo toe-javatra amin’izao ao amin’ny toerana fandatsaham-bato amerikanina iray izay maha-voatsiary ny fandatsaham-bato, araka ny voamarin’ny manam-pahefam-pifidianana iray.
Izahay dia manana politika fanampiny natao handrakotra ireo antso avo ho an’ny herisetra, ny fanandratana fandraisana an-jara tsy ara-dalà na ary ireo antso ho an’ny fitsabahana voarindra amin’ny fifidianana, izay resahina any amin’ireo fizaranahafa amin’ny Fenitry ny Fiombonambenay.
Ho an’ireo votoaty manaraka, dia manisy etikety mampahalala izahay hoe:
Haino Vary Jery Namboarimboarina
Azo ahitsy amin’ny fomba maro samihafa ny haino vaky jery. Amin’ny tranga maro, dia tsy misy atahorana ireo fanovana ireo, toy ny votoaty hetezana na afohezina noho ny antony ara-kanto na votoaty ampiana mozika. Amin’ny tranga hafa, dia tsy miharihary ary mety hamitaka ilay fanamboaramboarana.
- Votoaty Noforonina na Nasiam-panovana Ara-nomerika izay Mety Hamitaka. Ho an’ny votoaty izay, ankoatra izay, tsy mandika ny Fenitry ny Fiombonambe, dia mety hametraka etikety mampahalala eo amin’ny tavan’ilay votoaty izahay, na handà ilay votoaty aroso toa dokam-barotra, rehefa sary na horonantsary toa tena izy na horonampeo toa tena izy ilay votoaty, izay noforonina na nasiam-panovana ara-nomerika sy mamorona tandindon-doza be tsy fahita ho mamitaka ny vahoaka momba ny raha manan-danja amin’ny vahoaka.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana momba ny fampahalalan-diso
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay