Hosoka sy Soloky ary Fanao Mamitaka
Tsipirian'ny politika
MANOVA RAKITATITRA
Androany
2025 Jon 7
2024 Okt 3
2024 Jol 19
2023 Aog 5
2022 Avr 29
2021 Des 24
2021 Nov 25
2021 Okt 29
2021 Aog 27
2020 Mey 5
2020 Des 18
2020 Nov 19
2019 Des 17
2019 Sep 4
Anton’ny Politika
Izahay dia mikendry ny hiarovana ireo mpampiasa sy ireo fihariana tsy ho voafitaka amin’ny volan’izy ireo, fananan’izy ireo na fampahalalana manokan’izy ireo. Mahavita izany amin’ny alalan’ny fanalana votoaty sy fiadiana amin’ny fitondantena izay mampiasa nahim-po fitaovana mamitaka, toy ny fanehoan-diso an-tsitrapo, fampahalalana nangalarina sy fitokoavana manitatra, mba hisolokiana na hamitahana mpampiasa sy fihariana, na hampitomboana firobohana. Anatin’izany ny votoaty mikatsaka handrindra na hampanehoeho ireny asa aman-draharaha ireny amin’ny alalan’ireo serivisinay. Manome lalana ny olona hanaitra ny saim-bahoaka sy hanabe ny hafa ary koa hanameloka ireo fihetsika ireo izahay.
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty izay manandrana hisoloky na hanambaka mpampiasa sy/na fihariana amin’ny alalan’ny:
Hosoka sy Soloky Amin’ny Indrambola
Votoaty izay:
- Manolotra indrambola mitaky amin’ilay mpampiasa ny handoavany sarany kely mialoha mba hahazoana indrambola.
- Manolotra indrambola miaraka amin’ny antoka na saika-antoka fankatoavana ho anao, na ambara ankitsirano izany na azo ankolaka araka ny sahankevitra (toy ireo fitokoavana hankato indrambola tsy misy fangatahana fampahalalana ara-bola).
- Fanamarihana: Mitady famantarana hafa ihany koa izahay hamaritana raha mamoaka votoaty ara-dalĂ na sy tsy hosoka ilay fisiana, toy ny rehefa fisiana voamarina iray sy baky na orinasa mpandraharaha vola io.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Filokana
Votoaty izay:
- Manolo serivisy filokana amin’ny vola tena izy (“Vola tena izy” dia devizy amin’ny tontolo tena izy izay azo ampiasaina hividianana entana na serivisy amin’ny tontolo tena izy, anisan’izany ireo devizim-pirenena toy ny Dolara Amerikanina sy ireo devizy virtoaly toy ny Bitcoin):
- miaraka amin’ny antoka fandresena.
- filazana ankolaka na fiaikena ho nanao hosoka tamin’ny vokatry ny lalao na fifaninanana iray.
- fitaomana olona hanao fanamboaramboarana voka-dalao na hitady fanampiana na torohevitra momba ny fomba hanamboaramboarana vokatry ny lalao na fifaninanana iray.
Ireo lalao casino sosialy izay mitaona hiloka miaraka amin’ny fanararaotra hahazo vola tena izy dia tafiditra anatin’ny Fenitry ny Fiombonambenay momba ny Entana sy Serivisy Fehezina.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Fampiasambola na Ara-bola
- Fanararaotra Fampiasambola. Votoaty izay:
- Manolotra fanararaotra fampiasambola ka azo antoka na tsy misy tandindondoza ny tamberin’ny fampiasambola.
- Manolotra fanararaotra fampiasambola ka, amin’ny ampahany na manontolo, miankina amin’ny fandraisana olon-kafa handray anjara amin’ilay tetika ireo tamberin’ny fampiasambola.
- Manolotra fanararaotra fampiasambola ka amin’izay ilay fanararaotra dia manana toetra “lasa-mpanankarena-haingana” sy/na fitokoavana hoe azo avadika ho vola be ny fampiasambola kely.
- Famadihana Vola/Cash. Votoaty izay:
- Manolotra hamadika vola manana sanda iray voatondro ho lehibe kokoa amin’ny alalan’ny famadihana na tetika na paikady misy fanononana ankitsirano “famadihana cash”, “famadihana vola na voambolana mitovy amin’ireo.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Fampitam-bola sy Famotsiam-bola
- MoneyFampitam-bola. Votoaty izay:
- Manolotra na mangataka fampitam-bola (mahatonga ireo lasibatra ho mpandray anjara tsy mahalala amin’ny famotsiam-bola amin’ny alalan’ny fanolorana vola na anjara tombombarotra ho takalon’ny famelana olon-kafa hampiasa ireo kaonty bankin’izy ireo na famindrana vola amin’ny anaran’ny hafa).
- Manolotra na mangataka fampitam-bola amin’ny alalan’ny fanolorana asa mba hanekena sy hamindrana vola amin’ireo antoko fahatelo izay mampiasa ny kaonty bankin’ilay lasibatra.
- Famotsiam-bola. Votoaty izay:
- Mangataka, mitaona na manolotra hanamora famotsiam-bola, izay fanandramana hanao ny vola azo tamin’ny fomba tsy ara-dalà na hiseho toa ara-dalà na amin’ny alalan’ny fanafenana sy fanoloana ny tena fiavian’ilay vola amin’ny alalan’ny fifanesena marolohan’ireo fifakalozana ara-bola, anisan’izany amin’ny alalan’ny iray tsy ankanavaka amin’ireto fomba manaraka ireto:
- Mikatsaka famindrana vola amin’ny alalan’ny SWIFT (Society for Worldwide Interbank Financial Telecommunications) na fomba mitovy,
- Mikatsaka na manolotra tsipiriany momba ireo karazana kaonty banky misy mba hanohanana fandraisana na famindrana vola cash.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Fiiziana Tsy To
Votoaty izay:
- Manandrana misoloky na manambaka mpampiasa amin’ny alalan’ny fandehoana vilana ny fiizian’ilay mpampoaka na ny karazan’ny fangatahana iray:
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fikambanana Mpanao Asa Soa, izay fangatahana an-kosoka vola na fanomezana fanampiana ho an’ireo asa soa miaraka amin’ny fitokoavana fa ilay fanomezana fanampiana dia maika sy misy fampahalalana, toy ny kaonty banky, hoe aiza no azo andefasana ny vola.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fitiavana, fanandramana an-kosoka hanorenana fiarahana am-pitiavana an-jotra amin’ny alalan’ny fikatsahana fisakaizana na fiarahana tsy ara-nofo sy amin’ny alalan’ny fanolorana na fangatahana vola na zavatra mira aminy ho takalony.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fihariana/Fisiana Voaorina, izay ahitana fitokoavana poakaty hisolo tena, na hiteny amin’ny feon’ny, fihariana/fisiana voaorina iray, amin’ny fanandramana hisoloky na hanambaka.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Vokatra na Valisoa
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Vatsy avy amin’ny Fanjakana. Votoaty izay:
- Manolotra vola poakaty avy amin’ireo vatsim-panjakana na loharano famatsiam-bola hafan’ny fanjakana. Manisy lanjany ny famantarana isan-karazany izahay hamaritana raha mamoaka votoaty ara-dalà na sy tsy hosoka ilay fisiana, toy ny rehefa avy amin’ny fisiana voamarina iray izany.
- Hosoka sy Soloky Azo Tsapain-tanana, Ara-panahy na Illuminati. Votoaty izay:
- Manolotra valisoa azo tsapain-tanana, toy ny vola, entana na serivisy izay manana sanda ara-bola, anisan’izany ireo devizy fizika, nomerika ary virtoaly, sy ireo entana sy serivisy fizika na nomerika ho an’ny fikambanana amin’ny na firaisana amin’ny fikambanana, fanompoana, sekta iray (ohatra: ny firahalahiana Illuminati).
- Manolotra valisoa azo tsapain-tanana ho an’ny fampiasana majia mainty na mosavy na entana majika (ohatra, mosavy, hazary manambina, sampy, tapakazo, ody, kitapombola manambina, sns.).
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fiantohana. Votoaty izay:
- Manolotra fiantohana sandoka ahena be miaraka amin’ny fangatahana sarany kely mialoha (saram-piandraiketana na petrabola antoka, na ankoatra izay).
- Manolotra fiantohana sandoka ahena be miaraka amin’ny fampanantenana fitsitsiambola be amin’ny saram-piantohana mitaha amin’ireo mpandraharaha fiantohana mahazatra (mihena 30% farafahakeliny).
- Fanamarihana: Mitady famantarana hafa ihany koa izahay hamaritana raha mamoaka votoaty ara-dalĂ na sy tsy hosoka ilay fisiana, toy ny rehefa fisiana voamarina iray sy baky na orinasa mpandraharaha vola io
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Asa. Votoaty izay:
- Manolotra asa miaraka amin’ny fanoritsoritan’asa tsy mazava na manjavozavo sy fanararaotra “lasa-mpanankarena-haingana” mampanantena vola amin’ny alalan’ny fampiasambola na ezaka anaty fotoana kely.
- Manolotra asa tsy misy fampahalalan’asa, fa milaza fahabangan-toerana fotsiny.
- Manolotra asa avy lavitra saingy ilay lohatenin’asa dia milaza ankolaka fa tsy afaka miasa avy lavitra ilay mpiasa.
- Manolotra asa miaraka amin’ny fampanantenan-karama mialoha.
- Manolotra asa hoe azo antoka fa ho azo.
- Manolotra asa miaraka amin’ny fangatahana sarany kely mialoha ny hanomezana ilay asa.
- Fanamarihana: Mitady famantarana hafa ihany koa izahay hamaritana raha mamoaka votoaty ara-dalĂ na sy tsy hosoka ilay fisiana, toy ny rehefa fisiana voamarina io
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fanalefahana Trosa sy Fanarenana Fahan-trosa. Votoaty izay:
- Mampanantena hamafa na hamongotra na hampihena trosa amin’ny alalan’ny tetibidy iray voatondro mandritra ny vanim-potoana iray voafaritra.
- Mampanantena hampijanona na hamafa ireo fitakian-trosa na fanenjehana ara-pitsarana noho ny trosa rehetra.
- Mampanantena hamela heloka na hanafoana trosa amin’ny alalan’ny “fandaharanasam-panjakana vaovao” na fanovana lalà na na fanambarana mira amin’ireo.
- Mampanantena hamafa na hanala fampahalalan-trosa avy amin’ny tatitra momba ny trosa na hamorona “fiiziana ara-trosa” vaovao.
- Fanamarihana: Mitady famantarana hafa ihany koa izahay hamaritana fa mamoaka votoaty ara-dalĂ na sy tsy hosoka ilay fisiana, toy ny rehefa fisiana voamarina iray sy baky na orinasa mpandraharaha vola io
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Antsapaka Kadoa. Votoaty izay:
- Manolotra valisoa azo antoka miendrika vola tena izy ho takalon’ny filana ireo mpampiasa hanao izao:
- Misoratra anarana amin’ny rohy ivelan’ny tranonkala iray.
- Mizara Fampahalalana Ahafantarana ny Tena na Fampahalalan’ny Tena Hafa.
- Mifandray ivelan’ny vovonana na anatin’ny vovonana amin’ny alalan’ny hafatra manokana.
- Tsy manao ninoninona.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Sarany Kely Mialoha. Votoaty izay:
- Mampanantena vola poakaty ho takalon’ny sarany kely/famindrana vola amin’ny banky/fandoavana vola mialoha.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Taratasy Sandoka
- Taratasy Sandoka na Halatahaka. Votoaty izay:
- Manolotra fitaomana, famoronana, fividianana, fivarotana na fanakalozana taratasy sandoka na halatahaka.
- Manolotra fivarotana visa na green card.
- Manome antoka ny fankatovana visa na green card.
- Ahafahan’ireo mpampiasa mahazo fankatoavana visa na dia tsy misy mahafeno ireo masontsivana mahazatra.
- Devizy sandoka na halatahaka. Votoaty izay:
- Manolotra fivarotana, fividianana na fanakalozana devizy sandoka na halatahaka, afa-tsy ny devizin’ny lalao ambony fafana (oh: vola Monopoly) raha misy sahankevitra mazava fa ho an’ny lalao ambony fafana io.
- Tapakila Fihenambidy Sandoka na Halatahaka. Votoaty izay:
- Manolotra fizarana, fivarotana, fividianana na fanakalozana tapakila fihenambidy sandoka na halatahaka.
- Miaiky ho nanao, manondrotra na mitaona fampiasana tapakila fihenambidy na bon d’achat fizika na nomerika mba hahavitana vidy iray manokana amin’ny alalan’ny:
- fampiasana tapakila fihenambidy na bon d’achat hividianana entana izay tsy antony nanaovana ireto tapakila fihenambidy na bon d’achat ireto; na
- amin’ny alalan’ny fampiasana tapakila fihenambidy na bon d’achat.
- SertifikĂ mari-pankasitrahana fanabeazana sy maha-matihanina sandoka na halatahaka. Votoaty izay:
- Manolotra fivarotana, fividianana na fanakalozana sertifikĂ fankasitrahana fanabeazana sy maha-matihanina sandoka na halatahaka.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Fampahalalana, Entana na Serivisy Nangalarina
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Carding. Votoaty izay:
- Misy fividianana, fivarotana na fanakalozana karatra fisintonam-bola halatra na fampitaovana ara-bola hafa izay azo ampiasaina ho an’ny fividianana tsy nahazoan-dalana (fantatra ihany koa amin’ny fiantsoana hoe "carding").
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fampahalalana Ahafantarana ny Tena. Votoaty izay:
- Manolotra fividianana, fivarotana na fanakalozana Fampahalalana Ahafantarana ny Tena na Fampahalalan’ny Tena Hafa afa-tsy raha an’ny personazy noforonina iray izany.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fitsara Sandoka. Votoaty izay:
- Miantso fividianana, fivarotana na fanakalozana fitsara/tombana momba ny vokatra.
- Manome valisoa ankolaka na mivantana ireo mpampiasa hanome fitsara ho takalon’ny fihenambidy, onitra na entana maimaimpoana.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Famandrihana. Votoaty izay:
- Manolotra fividianana, fivarotana na fanakalozana famantaram-piiziana amin’ireo serivisy famandrihana (famantaram-piiziana fidirana amin’ireo serivisy an-jotra izay mitaky fandoavana mitsingerina amin’ny enanelam-potoana tsy miova) amin’ny alalan’ny fanamboarana fanondroana serivisy an-jotra andoavam-bola iray, na izany amin’ny alalan’ny fanomezana anarana azy na amin’ny alalan’ny fizarana ny logo-ny.
- Fanamarihana: Mitady famantarana hafa ihany koa izahay hamaritana raha mamoaka votoaty ara-dalĂ na sy tsy hosoka ilay fisiana, toy ny rehefa fisiana voamarina iray sy baky na orinasa mpandraharaha vola io.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Hafetsena. Votoaty izay:
- Misy fizarana, fivarotana, fanakalozana na fividianana:
- lazaadina na takilam-balin’ny fanadinana ho avy.
- Vokatra na serivisy izay ahafahana mifetsy amin’ny fanadinana.
- Vokatra na serivisy izay mahafaka amin’ny fitiliana rongony amin’ny fomba tsy nahazoan-dalana iray.
Hosoka sy Soloky Amin’ny Fampiasana Fitaovan-tserasera Tsy Omen-dalana
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Fikitihana Fitaovan-tserasera. Votoaty izay
- Miantso hanao fividianana, fivarotana, fifanakalozana na fizarana fitaovan-tserasera nokitihina, nasiam-panovana na sandoka tsy ankanavaka.
- Miaiky ho nanao, manondrotra na mitaona fampiasana fikitihana fizika ireo fitaovan-tserasera mba hahavitana vidy tsy marina.
- Hosoka sy Soloky Amin’ny Votoaty Nomerika. Votoaty izay
- Manolotra na mangataka vokatra izay manamora na mamporisika fisitrahana votoaty nomerika amin’ny fomba tsy nahazoan-dalana iray. Anisan’izany ireo, saingy tsy voafetra amin’ireo dekodera nobeazim-boho, boaty voafahana feno/nametrahana KODI sy ireo serivisy KODI.
Fanao Mamitaka sy Manambaka
- Fanao Mamitaka Momba ny Fahasalamana. Votoaty izay
- Manondrotra fitokoavana na antoka ara-pahasalamana sandoka na mamitaka amin’ny sahankevitra fampihenan-tena amin’ny alalan’ny fampiasana tetika jono tsindry, toy ny fampiasana fiteny mampitolagaga izay manao fitokoavana manitatra na mihoa-pampana
Ho an’ity votoaty manaraka ity, dia mametra ny fahafahana mijery ilay votoaty ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
Votoaty izay
- Mampanantena vokatry ny fampihenan-tena voatondro ao anatin’ny fotoana voatondro tsy misy fiteny fahafenoana fepetra na fialana andraikitra.
Na dia eo aza ny voalaza teo aloha, izahy dia tsy mandrara votoaty izay manameloka, manaitra ny saim-bahoaka momba ny na manabe ny hafa momba ny hosoka sy soloky, tsy misy na famborahana fampahalalana saropady na fanondrotra hosoka na soloky
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
- Izahay dia mety hanala votoaty:
- Misy hosoka/soloky izay notaterana fisiana atokisana iray.
- Mifandraika amin’ny tsolotra na fanodinkodinambola.
- Izay manolotra vakisiny amin’ny fanandramana hisoloky na hanambaka ireo mpampiasa.
- Izay manandrana mametraka fiiziana sandoka, misandoka ho olo-malaza iray, na manao fampiasana tsy nahazoan-dalana ny sarina olo-malaza iray anatin’ny fanandramana hisoloky na hisandoka.
- Izay manolotra na mangataka vokatra na serivisy natao hanamorana ny fijerena na fandraketana an-tsary antsokosoko ny olon-tsotra, oh: fakantsary mpitsikilo, mpanara-dia telefaonina finday (anisan’izany ireo izay manome lalana ny fanarahan-dia laharan-telefaonina tsy fantatra), na fitaovana fanaraha-maso miafina hafa.
- Izay manolotra fanararaotra fakana mpifanditra hahafahan’ny olona mandray anjara amin’ny fitoriana iombonana amin’ny alalan’ny fisandohana endri-panjakana iray na orinasam-baovao iray, amin’ny alalan’ny fampiasana fiteny mampitolagaga, na amin’ny alalan’nyfampiasana fitokoavana manitatra.
- Izay manolotra serivisy famandrihana izay manainga ireo mpampiasa hampiditra Fampahalalana Manokana.
- Izahay dia tsy manome lalana ireo fisiana handray anjara amin’ny na hitaky hiroboka amin’ny fitondrantena Hosoka na Soloky karakaraina, anisan’izany ny fampiasana kaonty maromaro amin’ireo serivisinay indray miaraka mba hanaovana hosoka.
Amin’ny tranga sasany, manome lalana ny votoaty izay, raha tsy izany, mety hanitsakitsaka ny Fenitry ny Fiombonambe izahay rehefa voafaritra fa fanarabiana ilay votoaty. Ny hany hanomezan-dalana ilay votoaty dia raha harabina na tendrena ho an’ny zavatra na olona iray hafa ireo singana votoaty mandika fenitra.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazoa fanampiana momba ny hosoka sy soloky ary fanao mamitaka
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay