Fikambanana sy Olon-tsotra Mampidi-doza
Tsipirian'ny politika
MANOVA RAKITATITRA
Androany
2026 Mar 19
2024 Feb 8
2023 Des 29
2023 Aog 29
2023 Avr 27
2021 Des 23
2021 Nov 24
2021 Okt 15
2021 Aog 26
2021 Jon 23
2020 Okt 22
2020 Aog 27
2020 Feb 27
2019 Okt 10
2019 Sep 27
2018 Des 28
Anton’ny Politika
Anatin’ny ezaka hisorohana sy hanafoanana ny famelezana amin’ny tontolo tena izy, izahay dia tsy manome lalana fikambanana na olon-tsotra izay manambara iraka mahery setra na miroboka amin’ny herisetra hanana fisiana amin’ireo vovonanay. Izahay dia manombana ireo fisiana ireo araka ny fitondran-tenan’izy ireo an-jotra sy tsy an-jotra ary, manan-danja indrindra, ny fifandrohizan’izy ireo amin’ny herisetra. Araka ity politika ity, dia manendry olon-tsotra, fikambanana ary tambajotran’olona izahay. Ireto fiantsoana ireto dia mizara ho zana-tohatra roa izay manondro ny ambaratongan’ny fampiharam-penitra ho an’ny votoaty, ka ny Zana-tohatra 1 miteraka fampiharam-penitra mahafaobe indrindra satria mino izahay fa manana fifandrohizana mivantana indrindra amin’ny famelezana tsy an-tambanjotra ireo fisiana ireo.
Zana-tohatra 1 dia mifantoka amin’ireo fisiana miroboka amin’ny famelezana mafy tsy an-jotra, anisan’izany ny fandrindrana na fanohanana ampahibemaso herisetra amin’ny olom-pirenena, fanimbazimbana miverimberina na fanohanana ampahibemaso ny famelezana olona araka ireo toetoetra arovana, na firobohana amin’ny asa ratsy ara-drafitra. Anatin’ny Zana-tohatra 1 ireo fikambanana fankahalana; fikambanana mpanao ratsy, anisan’izany ireo antsoin’ny governemantan’i Etazonia hoe Specially Designated Narcotics Trafficking Kingpins (SDNTKs); ary ireo fikambanana mpampihorohoro, anisan’izany ireo fisiana sy olon-tsotra tondroin’ny governemantan’i Etazonia hoe Foreign Terrorist Organizations (FTOs) na Specially Designated Global Terrorists (SDGTs). Manala Fiderana sy Fanohanana ary Fisoloan-tena fisiana Zana-tohatra 1, ireo mpitarika azy ireo, ireo mpanorina azy ireo na ireo mpikambana sangan’izy ireo, ary koa ireo fitsiahy tsy mazava manondro azy ireo izahay.
Fanampin’izay, izahay dia tsy manome lalana votoaty midera, manohana na misolo tena hetsika izay tondroin’i Meta ho hetsika mahery setra mandika fenitra, anisan’izany ireo fanafihan’ny mpampihorohoro, hetsika fankahalana, herisetra mahavoa lasibatra maro, herisetra andramana mahavoa lasibatra maro, vono olona misesy na heloka fankahalana. Sady tsy manome lalana (1) ny Fiderana, Fanohanana na Fisoloan-tena ilay(ireo) tompon’antoka tamin’ny fanafihana toy izany izahay; (2) votoaty vokarin’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana toy izany; na (3) sarin’ny antoko fahatelo maneho ny fotoana nitrangan’ny fanafihana toy izany tamin’ireo lasibatra hita maso. Manala votoaty izay Midera, Manohana na Misolo tena foto-kevitra izay mampiroborobo fankahalana, toy ny nazisma sy ny fahambonian’ny fotsy hoditra, izahay. Manala fitsiahy tsy mazava manondro ireo hetsika na foto-kevitra voatondro ireo ihany koa izahay.
Zana-tohatra 2 dia ahitana ireo Mpanao Mahery Setra Tsy Fanjakana izay miroboka amin’ny herisetra atao amin’ireo Mpanao fanjakana na miaramila amin’ny ady mitam-piadiana iray nefa tsy mikendry sivily nahim-po. Anisany ihany koa ireo Endripisiana Mampanao Herisetra izay misehatra amin’ny fanomanana na fanohanana ampahibemaso ny herisetra ho avy nefa tsy voatery niroboka tamin’ny herisetra hatreto. Misy ihany koa ireo endri-pisiana izay mety miverimberina miroboka amin’ny fanitsakitsahana ny politikanay momba ny Fitondrantena Mankahala na Fikambanana sy Olon-tsotra Mampidi-doza amin’ny na ivelan’ny vovonana. Manala ny Fiderana sy ny Fanohanana Ara-matetialy ary ny Fisoloan-tena ireny fisiana ireny, ireo mpitarika azy, ireo mpanorina azy na ireo mpikambana sangany ao aminy izahay.
Miaiky izahay fa mety hizara votoaty misy fitsiahy manondro fikambanana sy olon-tsotra mampidi-doza voatondro ireo mpampiasa amin’ny sahankevitra ampamoaka momba ny fiarahamonina sy politika. Anisan’izany ny votoaty anaovana tatitra, ny miady hevitra na manameloka tsy mitanila ireo fikambanana sy olon-tsotra na ireo asa aman-draharahan’izy ireo.
Fitateram-baovao dia ahitana fampahalalana izay zaraina hampahatsiarovan-tsaina momba ireo hetsika eo an-toerana sy eran-tany izay mahavoarohirohy ireo fikambanana sy olon-tsotra mampidi-doza voatondro.
- Oh: “Vaovao vao mafana: Nitonon-tena ho tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tany Somalia ny Al-Shabab”
- Oh: “Laha-potona sy famakafakan’ny manam-pahaizana: Nanao ahoana ny fizotran’ilay fitifirana tao amin’ny Tsenabe Buffalo ary inona no notenenin’ilay tompon’antoka tao amin’ny fitsarana”
Adihevitra an’evanevany dia ahitana fanambarana, fanehoan-kevitra, fanontaniana ary fampahalalana hafa izay tsy maneho fitsarana miabo momba ny fikambanana na olon-tsotra mampidi-doza voatondro sy ny fihetsiky.
- Oh: “Kely kokoa ny ambana entin’ny Al Qaeda raha mitaha amin’ny Fanjakana Islamika noho ny tsy fisian’ny haitarika sy vola”
- Oh: “I Anders Breivik dia ohatra iray amin’ireo fomba maha-maroloha ny fizotry ny radikalizasiôna”
Anisan’ny fanamelohana ny tsy fankatoavana, faharikorikoana, fandavana, fitsikerana, fanesoana ary fanehoana miiba momba ny fikambanana na olon-tsotra mampidi-doza iray voatondro sy ny fihetsiny.
- Oh: “Mamparikoriko ahy ilay helok’i Salvador Ramos. Nanohina be ahy ny tenin’ilay mpitsara. Tsy tokony hahazo famindram-po avy amin’ny fitsarana izy”
- Oh: “Tsy tokony hohadinoina na oviana na oviana ireo helok’i Hitler. Ireny ny sasany amin’ireo fotoana maizina indrindra teo amin’ny tantara”
Ny politikanay dia natao hanome toerana ireo karazana adihevitra ireo no sady mametra ny mety hisian’ny fahavoazana tsy an-tambajotra. Takinay amin’ny olona, noho izany, ny hilazany mazava ny fikasany rehefa mamorona na mizara votoaty toy izany izy. Raha miolakolaka na tsy mazava ny fikasan’ny mpampiasa iray, dia manala ilay votoaty izahay araka ny efa voafantina mialoha.
Mifanindran-dalana amin’ny lalà na momba ny zon’olombelona iraisam-pirenena, ny politikanay dia manome lalana ny adihevitra momba ny zon’olombelon’ireo olon-tsotra voatondro na mpikambana amin’ireo fisiana mampidi-doza voatondro, raha tsy hoe angaha misy fiderana, fanohanana na fisoloan-tena hafa ireo fisiana voatondro na fanitsakitsaham-politika hafa, toy ny fitaomana hanao herisetra, ilay votoaty.
Jereo azafady ny Politikanay momba ny Zon’olombelona An’orinasa hahitana fampahafantarana bebe kokoa momba ny fandalanay zon’olombelona ankasitrahina iraisam-pirenena.
Izahay dia manala:
Manala Fiderana sy Fanohanana ary Fisoloan-tena fikambanana sy olon-tsotra mampidi-doza maro samihafa izahay. Mihatra amin’ireo fikambanana izy tenany sy ny asa aman-draharahan’izy ireo ary ireo mpikambana amin’izy ireo ireto volavolan-kevitra ireto. Tsy mandidy fanentanana am-pilaminana ny hisian’ny vokatra ara-politika voatondro ireto volavolan-kevitra ireto.
Fiderana, faritana hoe iray amin’ireo eo ambany:
- Fanomezana sata ho ara-dalà na na fiarovana ireo fihetsika mahery setra na mankahala ataona fisiana voatondro iray amin’ny alalan’ny fitokoavana hoe manana fanafa-diso ara-moraly, ara-politika na laojika na hafa mahatonga azy ireny ho azo ekena sy antonona ireny fihetsika ireny.
- Oh: “Tsy nisy ratsy nataon’i Hitler.”
- Famaritan-toetra na fankalazana ny herisetra na fankahalana ataona fisiana voatondro iray hoe zava-bita na fahombiazana iray;
- Oh: “Eo am-pandresena amin’ny ady ho an’i Kashmir afaka sy mahaleo tena i Hizbul Mujahideen”
- Fanambarana manome aingam-panahy hikambana na fanambarana hoe ho tianao ny hofisiana voatendry iray na tompon’antoka amin’ny hetsika mahery setra mandika fenitra iray.
- Oh: “Maniry ho afaka mikambana amin’ny ISIS sy ho olon’ny Kalifà aho”
Manala Fiderana ireo fisiana Zanatohatra 1 sy Zanatohatra 2 ary koa ireo hetsika voatondro izahay.
Ho an’ireo hetsika Zanatohatra 1 sy voatondro, mety hanala fitsiahy tsy mazava na tsy misy sahan-kevitra ihany koa izahay raha tsy voalaza mazava ny nokasain’ilay mpampiasa hatao. Anisan’izany ny hatsikana tsy mazava, ireo fitsiahy tsy misy maribolana na miabo izay tsy midera ny herisetra na fankahalan’ilayfisiana voatondro.
Fanohanana, faritana hoe iray amin’ireo eo ambany:
- Fanohanana Ara-materialy
- Izay asa manatsara ny toe-bolan’ny fisiana voatondro iray, anisan’izany ny familiana vola mankany amin’ny na manalavitra ny fisiana voatondro iray;
- Oh: “Manomeza vola fanampiana ho an’ny KKK!”
- Izay hetsika manome fitaovana solontsofina ny fisiana na hetsika voatondro iray;
- Oh: “Raha te-handefa pakem-pitsaboana amin’ny Cartel Sinaloa ianao, dia ampiasao ity adiresy ity:”
- Mandray mpiasa amin’ny anaran’ny fisiana na hetsika voatondro iray;
- Oh: “Raha te-hiady ho an’ny Kalifà ianao, dia andefaso hafatra miafina aho”
- Fanohanana Hafa
- Familiana fampahalalana na enti-manana, anisan’izany ireo serasera ofisialy, amin’ny anaran’ny fisiana na hetsika voatondro iray
- Oh: Mitanisa mivantana ny tenin’ny endri-pisiana voatondro iray tsy misy maribolana izay manameloka, miady hevitra tsisy fiandaniana, na toa ampahan’ny fitateram-baovao iray.
- Mamoaka antso hanao amin’ny anaran’ny fisiana na hetsika voatondro iray;
- Oh: “Mifandraisa amin’ny Sampana Atomwaffen – (XXX) XXX-XXXX"”
Manala Fanohanana Zana-tohatra 1 sy Fanohanana Ara-materialy Zana-tohatra 2 rehetra izahay.
Fisoloan-tena, faritana hoe iray amin’ireo eo ambany:
- Fanambarana hoe mpikambana amin’ny fisiana voatondro iray ianao, nafisiana voatondro iray ianao;
- Oh: “Dragon ben’ny KKK aho.”
- Famoronana Pejy, mombamomba, hetsika, vondrona nafisiana Facebook hafa izay fananan’ny na mitonona ho fananan’ny fisiana Voatondro iray na mandeha amin’ny anarany, na hetsika na mitonona ho hetsika voatondro iray.
- Oh: Pejy iray mitondra ny anarana hoe “Antoko Nazi Amerikanina.”
Manala Fisoloan-tena Fikambanana Voatondro Zana-tohatra 1 sy 2, ary ireo hetsika voatondro izahay.
Karazana sy Zanatohatra Fikambanana Mampidi-doza
Zana-tohatra 1: Fampihorohoroana, fankahalana voarindra, fihetsika asa ratsy midadasika, herisetra andramana amin’ny lasibatra maro, herisetra maro lasibatra, vono olona misesy ary hetsika mahery setra manitsakitsaka fenitra
Tsy manome lalana olon-tsotra na fikambanana tafiditra amin’ny asa ratsy voarindra, anisan’izany ireo tondroin’ny governemantan’i Etazonia hoe Specially Designated Narcotics Trafficking Kingpins (SDNTKs); fankahalana; na fampihorohoroana, anisan’izany ireo fisiana tondroin’ny governemantan’i Etazonia hoe Foreign Terrorist Organizations (FTOs) na Specially Designated Global Terrorists (SDGTs), hanana fisiana amin’ilay vovonana izahay. Tsy manome lalana olona hafa hisolo tena ireo fisiana ireo ihany koa izahay. Tsy manome lalana ireo mpitarika na mpikambana sangan’ireo fikambanana ireo hanana fisiana amin’ny vovonana, ireo eva izay misolo tena azy ireo hampiasaina amin’ny vovonana, na votoaty izay midera azy ireo na ny asan’izy ireo izahay, anisan’izany ireo teny fanondroana tsy mazava azy ireo. Fanampin’izay, manala izay rehetra fanohanana ireo olon-tsotra sy fikambanana ireo izahay.
Tsy manome lalana votoaty midera, manohana na misolo tena hetsika izay tondroin’i Meta ho fanafihan’ny mpampihorohoro, hetsika fankahalana, herisetra maro lasibatra, fandranamana herisetra maro lasibatra, vono olona mitohitohy, heloka fankahalana na hetsika mahery setra manitsakitsaka fenitra izahay. Sady tsy manome lalana (1)votoaty midera, manohana na misolo tena ilay(ireo) tompon’antoka tamin’ny fanafihana toy izany izahay; (2) votoaty vokarin’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana toy izany; na (3) sarin’ny antoko fahatelo maneho ny fotoana nitrangan’ny fanafihana toy izany tamin’ireo lasibatra hita maso.
Tsy manome lalana Fiderana, Fanohanana na Fisoloan-tena foto-kevitra mankahala voatondro, ary koa ireo teny fanondroana tsy mazava azy ireo, ihany koa izahay.
Fikambanana sy olon-tsotra mpampihorohoro, faritana hoe mpanao tsy fanjakana iray izay:
- Miroboka amin’ny, manohana ampahibemaso na manome fanohanana amin’ny ambentin-teny ny asa herisetra nahim-po sy voalahatra,
- Izay miteraka na manandrana miteraka fahafatesana, ratra na fahavoazana mafy amin’ireo sivily, na izay olona hafa tsy ankanavaka tsy mandray anjara mivantana amin’ireo fifanoherana anatina toe-draharahana fifandirana mitam-piadiana sy/na fahasimbana manan-danja amin’ny fananana misy ifandraisany amin’ny fahafatesana, ratra mafy na fahavoazana mafy ho an’ny sivily
- Miaraka amin’ny fikasana hanery, hampitahotra sy/na hitaona mponina sivily, fanjakana na fikambanana iraisam-pirenena
- Mba hahavitana fikendrena araka ny politika, fivavahana na foto-kevitra iray
Endri-pisiana Fankahalana, faritana hoe fikambanana na olon-tsotra iray izay manely sy mamporisika fankahalana olon-kafa noho ireo toetoetra arovana ananan’izy ireo. Ireo fihetsik’ilay fisiana dia miendrika farafahakeliny ny sasany amin’ireto fitondran-tena manaraka ireto:
- Herisetra, kabary mandrahona na endrika fanorisorena mampidi-doza mikendry olona araka ny toetoetra arovana ananan’izy ireo;
- Fampiasana lahateny fankahalana imbetsaka;
- Fisoloan-tena Foto-kevitra Fankahalana na Fisiana Fankahalana voatondro hafa, sy/na
- Fiderana na Fanohanana Fisiana Fankahalana na Foto-kevitra Fankahalana voatondro hafa.
Fikambanan’olon-dratsy, faritana hoe fikambanana olona telo na mihoatra izay:
- mivondrona anatin’ny anarana iray, loko, fihetsi-tanana na fambara fantatra; sy
- niroboka tamin’ny na mandrahona hiroboka amin’ny asa ratsy toy ny vono olona, fanondranana rongony an-tsokosoko na fakana an-keriny.
Herisetra maro lasibatra sy vono olona misesy
- Mihevitra ny hetsika iray ho herisetra maro lasibatra na herisetra maro lasibatra raha miafara amin’ny fahafatesana telo na bebe kokoa anatin’ny tranga iray, faritana hoe fahafatesana na ratra mafy. Izay olon-tsotra nanao famelezana toy izany dia heverina ho mpanao asa ratsy na mpanandrana asa ratsy herisetra maro lasibatra.
- Sokajinay ho mpamono olon-tsotra misesy ny olon-tsotra tsy ankanavaka nahavita vono olona roa na mihoatra tamin’ny tranga na toerana maromaro.
Foto-kevitra mankahala
- Raha mifantoka amin’ny fitondran-tena ireo fanondroanay fikambanana sy olon-tsotra, dia miaiky koa anefa izahay fa misy foto-kevitra sy finoana sasany mifamatotra efa raiki-tapisaka amin’ny herisetra sy fanandramana mampikambana olona manodidina ny antso hanao herisetra na fanilikilihana ny hafa araka ny toetoetra arovana ananan’izy ireo. Amin’ireo tranga ireo, izahay dia manondro ilay foto-kevitra izy tenany sy manala votoaty manohana io foto-kevitra io tao amin’ny vovonanay. Anisan’ireo foto-kevitra ireo ny:
- Nazisma
- Fahambonian’ny fotsy hoditra
- Nasioanlisman’ny fotsy hoditra
- Fiavahan’ny fotsy hoditra
- Manala Fiderana sy Fanohanana ary Fisoloan-tena ankarihary ireto foto-kevitra ireto, ary manala olon-tsotra sy fikambanana izay manaraka ny iray na maromaro amin’ireto foto-kevitra mankahala ireto izahay.
Zana-tohatra 2: Mpanao Mahery Setra Tsy Fanjakana sy Fisiana Mampanao Herisetra
Ireo fikambanana sy olon-tsotra tondroin’i Meta hoe Mpanao Mahery Setra Tsy Fanjakana na Fisiana Mampanao Herisetra dia tsy omen-dalana hanana fisiana amin’ireo vovonanay, na hanana fisiana tanan’ny hafa amin’ny anaran’izy ireo. Satria ireo fiombonambe ireo miroboka mavitrika amin’ny herisetra, miady amin’ireo mpanao fanjakana na miaramila amin’ireo ady mitam-piadiana (Mpanao Mahery Setra Tsy Fanjakana) na manomana na manohana ampahibemaso na mamorona toe-javatra ho anny herisetra ho avy (Fisiana Mampanao Herisetra), dia tsy omen-dalana ny fanohanana ara-materialy ireo fisiana ireo. Hanala ny fiderana ireto fisiana ireto ihany koa izahay.
Mpanao Mahery Setra Tsy Fanjakana, faritana hoe izay rehetra mpanao tsy fanjakana izay:
- Miroboka amina lamina fihetsika herisetra be vesatra manan-tanjona sy voalahatra mikendry governemanta, vondrona miaramila na mitam-piadiana hafa mandray anjara mivantana amin’ireo fifandirana ao anaty tontolo isiana ady mitam-piadiana, sy tsy mikendry nahim-po sy ankarihary ny sivily amin’ny herisetra be vesatra; SY/NA
- Manakana fokonolona tsy hisitraka fotodrafitrasa na enti-manana voajanahary; SY/NA
- Miroboka amina lamina fanafihana kasaina hitondra fahasimbana lehibe amin’ny fotodrafitrasa izay tsy misy ifandraisany amin’ny fahafatesana, ratra mafy na fahavoazana mafy ho an’ireo sivily.
Endri-pisiana Mampanao Herisetra dia faritana toy izao manaraka izao:
Ny Endripisiana Mampanao Herisetra (Ankapobeny) dia mpisehatra tsy ara-panjakana iray izay:
- Manana tanjona voafaritra na fiasa kasaina hanolotra fiasa fitandroam-pilaminana tsy nomen'ny governemanta lalana (toy ny polisy, miaramila, fifindramonina) amin’ny alalan’ny herisetra mba hisolo toerana ny, na fanampin’ny efa ataon'ny governemanta ; na hampitsaharana amin’ny alalan’ny herisetra ny fiasa fitandroam-pilaminan’ny governemanta iray ;
- Nanao dingana manan-danja mankany amin’io tanjona voambara io amin’ireo vovonan’i Meta ; ary
- Nandray anjara imbetsaka tamina fandrahonana na fandrisihana amin’ny herisetra bevata (an-jotra na ivelan-jotra);
Ny Endri-pisiana Voarara noho ny Fankahalana dia mpisehatra iray tsy ara-panjakana izay:
- Miroboka amin’ny fitondran-tena na resaka tsara lahatra mankahala miverimberina, saingy tsy miakatra hatreo amin’ny ambaratongan’ny fisiana Zanatohatra 1 satria tsy niroboka tamin’ny na nanohana ampahibemaso ny herisetra izy, na satria tsy ampy fifandraisana amin’ireo fikambanana na endrika voatondro teo aloha izy.
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
- Amin’ny tranga sasany, hanome lalana ny votoaty izay, raha tsy izany, mety hanitsakitsaka ny Fenitry ny Fiombonambe izahay rehefa voafaritra fa fanarabiana ilay votoaty. Ny hany hanomezan-dalana ilay votoaty dia raha manaraby na manendry zavatra na olona iray hafa mba hanaratsiana na hanakihanana ny tsy mety ireo singam-botoaty mandika fenitra raketiny.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Angondrakitra
Mijery ny Tatitra Fampiharana Fenitry ny Fiombonambe farany indrindra
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana mahakasika ny olon-tsotra sy fikambanana mampidi-doza
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay