Anton’ny Politika
Miaiky izahay fa anatin’ny arolozan’ireo mpampiasanay ny fahaleman’ny fampahalalana, kaonty, mombamomba manokan’izy ireo sy ireo fisiana Meta hafa mety tantanan’izy ireo, ary koa ireo vokatray sy ireo serivisinay amin’ny fomba midadasika kokoa. Ny fanandramana hanangona ny mombamomba olona manokana na hiroboka amin’ny fisitrahana tsy nahazoana lalana amin’ny alalan’ny fomba mamitaka na be fiavy dia manimba ny soson-drivotra tena izy sy misokatra ary azo antoka tianay hampiroboroboina.
Izahay dia tsy manome lalana:
Fanandramana hisompatra na hisitraka kaonty amin’ny alalan’ny fomba tsy nomen-dalana, anisan’izany ny:
Fisitrahana ireo kaonty, ireo mombamomba na ireo fisiana Meta, ankoatra ilay an’ny tena amin’ny alalan’ny fomba mamitaka na tsy misy fahazoan-dalana ankitsirano avy amin’ilay kaonty, mombamomba na tompon’ny fisiana.
Fahazoana, fakana na fangatahana fampahalalana fidirana, fampahalalana manokana na fampahalalan’ny mpampiasa saropady hafa an’ny mpampiasa iray hafa ho an’ny tanjon’ny fisitrahana tsy nahazoan-dalana, anisan’izany amin’ny alalan’ireto tetika manaraka ireto:
Phishing, faritana hoe ny fanao famoronana serasera na tranonkala izay volavolaina ho toy ireo serasera na tranonkala atokisana na malaza kokoa ho an’ny tanjona fakana amin’ny fomba sandoka ny fampahalalana saropadin’ny mpampiasa.
Injenieria Sosialy, toy ireo fanandramana miverimberina na mitohy hioty na haka ny valin’ireo fanontaniana fanavotana kaonty na tenimiafina mahazatra.
Malware, Greyware, Spyware na kaody mpisompatra hafa, araka ny voasoritsoritra eo ambany.
Fanandramana hizara, hamolavola, hampiantrano na hanaparitaka kaody mpisompatra na mpanimba, anisan’izany ny:
Famporisihana na famitahana mpampiasa hampidina na hanatanteraka rakitra, app na programa izay hisompatra ny fahalemana an-jotra na fahaleman’angon-drakitry ny mpampiasa iray, anisan’izany, saingy tsy voafetra amin’ny:
Malware, faritana hoe kaody na rindrambaiko novolavolaina hanimba ha hahazo fisitrahana tsy nahazoan-dalana amin’ireo rafitra. Anisan’izany ireo programa novolavolaina hanimba rafi-tsolosaina, ary koa ny rindrambaiko novolavolaina hisokirana vola avy amin’ireo lasibatra, toy ny ransomware.
Spyware, faritana hoe kaody na rindrambaiko izay manangona angon-drakitra momba ireo mpampiasa sy mande azy amin’ireo antoko fahatelo tsy misy faneken’ilay mpampiasa mahalala, na izay mampiasa ny angon-drakitra ho an’ny tanjona tsy ara-dalàna (oh: sextorsion, fandrahonana amin’ny fanalam-baraka, fisitrahana tsy manara-dalàna ireo rafitra).
Greyware, faritana hoe koady na rindrambaiko izay manalavitra amin’ny fampiasana rindramafy na rindrambaiko ary mety ho sarotra hesorina tamin’ny rafitrana na tambajotrana solosaina iray.
Famoronana, fizarana, na fampiantranoana rindrambaiko mpanimba, anisan’izany ireo fanitarana fitety sy app finday, amin’ny na ivelan’ny vovonana izay mampitatao loza ireo mpampiasanay na ireo vokatray sy ireo serivisinay.
Fandrahonana, fiaikena ho nanao, na fampahefana hacking, anisan’izany amin’ny alalan’ny ffizarana na fanaovana dokam-barotra ireo rindrambaiko, fiainarana na vokatra izay ahafahan’ny olona midify ireo rafitra fitandroam-pahalemana, anisan’izany ireo rindrambaiko izay mamporisika olona hipiraty rindrambaiko na teny fidirana amin’ny kaonty
Fanolorana fotodrafitrasa an-jotra, anisan’izany ireo serivisy fampiantranoana tranonkala, mpandroso rafitry ny anaran’ny sehatra ary ireo tambajotran-doka izay mamelona rohy mpanararaotra toy ny ankabeazan’ireo rohy amin’ny Facebook na Instagram izay manitsakitsaka ireo fizarana momba ny spam na fahalemana an’habaka amin’ny Fenitry ny Fiombonambe.