Hetraketraka sy Fanorisorena

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Ny hetraketraka sy ny fanorisorena dia mitranga amin’ny toerana maro sy miseho amin’ny endrika maro samihafa, manomboka amin’ny fandrahonana sy famoahana fampahalalana ahafantarana ny tena manokana ka hatramin’ny fandefasana hafatra mandrahona sy fanaovana fifandraisana an-kasomparana tsy nirina. Tsy mandefitra an’io karazana fitondran-tena io izahay, satria manakana ny olona hahatsiaro voaaro sy voahaja ao amin’ny Facebook sy Instagram ary Threads izany.
Manavaka ny olom-bahoaka sy ny olon-tsotra manokana izahay, satria tianay ny hisian’ny adihevitra izay matetika ahitana fanehoan-kevitra manakina ny olona izay asongadina anatin’ny vaovao na manana mpahita daholobe betsaka. Ho an’ireo olom-bahoaka, izahay dia manala an’izay famelezana mafy ary koa ny famelezana sasany ahitana olom-bahoaka tondroina mivantana anatin’ilay petadrindrina na kaomantera. Izahay dia mamaritra ny atao hoe olom-bahoaka hoe ireo mpiandraikitra raharahan’ny governemanta eo anivon’ny fanjakana sy nasionaly, ireo kandidà politika ho an’ireo birao ireo, ireo olona manana mpankafy na mpanaraka mihoatra ny iray tapitrisa amin’ny tambajotran-tserasera ary ireo olona misitraka firesahana azy amin’ny vaovao be dia be.
Ho an’ireo olon-tsotra manokana, dia lasa lavitra kokoa ny fiarovanay: Manala an’izay votoaty natao hanambaniana na hanalam-baraka izahay, anisan’izany, ohatra, ireo fitakiana momba ny fihetsika ara-nofon’ny olona iray. Mankasitraka izahay fa ny hetraketraka sy ny fanorisorena dia mety hisy fiantraikany ara-piontanam-po bebe kokoa amin’ireo zaza tsy ampy taona, ka izany no mahatonga ny politikanay manome fiarovana bebe kokoa ho an’ny olona tsy ankanavaka latsaka ny 18 taona, tsy ijirena toedraharahan’ny mpampiasa.
Misy dikany ny sahankevitra sy ny fikasana, ary manome lalana ny olona hametaka sy hizara izahay raha mazava fa nozaraina mba hanamelohana na hisarihana ny saina amin’ny hetraketraka sy fanorisorena ny zavatra iray. Amin’ny tranga sasany, izahay dia mitaky ny fitaterana ataon’ny tena satria io dia manampy anay hahazo fa mahatsiaro iharan’ny hetraketraka sy fanorisorena ilay olona kendrena. Ankoatra ny fitaterana ny fitondran-tena sy votoaty toy izany, dia mamporisika ny olona hampiasa an’ireo fitaovana azo sitrahina amin’ireo vovonana izahay mba hanampiana anay amin’ny fiarovana azy ireo amin’izany.
Manana Foiben’ny Fiarovana amin’ny Hetraketraka, izay loharano ho an’ireo zatovo sy ray aman-dreny ary mpanabe mila fanampiana amin’ireo raharaha mifandraika amin’ny hetraketraka sy fifandirana hafa ihany koa izahay. Manolotra tari-dalana isan-dingana io, anizan’izany ny fampahafantarana momba ny fomba hanombohana resaka manan-danja momba ny hetraketraka. Mamantara misimisy hoe inona no ataonay hiarovana ny olona amin’ny hetraketraka sy ny fanorisorena ato.
Fanamarihana: Ity politika ity dia tsy mahakasika ireo olon-tsotra izay anisan’ireo fikambanana voatondro anatin’ny politika momba ny Fikambanana Mampidi-doza sy Olon-tsotra na olon-tsotra nodimandry talohan’ny 1900.
Zana-tohatra 1: Fiarovana mahafaobe ho an’ny olon-drehetra:
  • Ny olon-drehetra dia arovana amin’ny:
    • Fifandraisana tsy irina izay:
      • Miverimberina, NA
      • Manorisory ara-nofo, NA
      • Ikendrena olon-tsotra maro an’isa tsy misy fiangaviana mialoha.
    • Antso hanao fandratran-tena na famonoan-tena amin’ny olona na vondron’olon-tsotra iray voatondro.
    • Famelezana araka ny traikefany amin’ny famelezana ara-nofo, fanararaotana ara-nofo, fanorisorenana ara-nofo na fampijaliana an-tokantrano.
    • Fanambarana fikasana hiroboka amin’ny fihetsika ara-nofo iray na manentana ny hiantsoana hirobohana amin’ny fihetsika ara-nofo iray.
    • Fanaovan-kaomantera omen-toetra ara-nofo mafy
    • Photoshop na sarisary omen-toetra ara-nofo manambany
    • Famelezana amin’ny alalan’ny voambolana manambany mifandraika amin’ny fihetsika ara-nofo (ohatra: makorelina, koaitra).
    • Fitokoavana fa tsy nitranga ny antambo mahery setra iray.
    • Fitokoavana fa misy olon-tsotra mandainga hoe lasibatry ny antambo mahery setra na fanafihan’ny mpampihorohoro, anisan’izany ireo fitokoavana fa izy dia:
      • Fanaovana na fisariana lasibatry ny hetsika iray voatondro na
      • Omem-bola na karamaina hamitaka olona momba ny anjara asany anatin’ilay hetsika.
  • Fandrahonana hamoaka laharan-telefaonina, adiresy fonenana, adiresy mailaka na rejisitry ny fitsaboana manokan’ny olon-tsotra iray (araka ny voafaritra ao amin’ny politika Fanitsakitsahana Fitanan-tsiambaratelo).
  • Antso hanao na fanambarana fikasana hiroboka amin’ny, hetraketraka sy/na fanorisorena.
  • Votoaty izay manambany na maneho dikidiky amin’ny olona aseho amin’ny firoson’ny, na aoriana kelin’ny, fadimbolana, fipipizana, fandoavana na fikakazana
  • Ny olon-drehetra dia arovana amin’ireto manaraka ireto, saingy ho an’ireo olon-drehetra olondehibe, izy ireo dia tsy maintsy ampiharihariana ara-tanjona:
    • Antso ho an’ny fahafatesana sy fanambarana mirary olona hifindran’ny na hihetsehan’ny aretina iray.
    • Fankalazana na fanesoana fahafatesana na aretina.
    • Fitokoavana momba ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.
    • Fanambarana fahambaniana momba ny endri-batana.
Zana-tohatra 2: Fiarovana fanampiny ho an’ireo Zaza tsy ampy taona, Olondehibe Manokana ary Olom-bahoaka Manana Fahatakarana Voafetra (ohatra: olon-tsotra manana laza lohalaharana izay voafetra amin’ny fikatrohany, asa fanaovan-gazetiny na ireo lasa malaza amin’ny alalan’ny fomba tsy nahy):
  • Fanampin’ireo fiarovana mahafaobe ho an’ny olon-drehetra, ireo zaza tsy ampy taona (olon-tsotra manokana sy olom-bahoaka), olondehibe manokana sy ireo olom-bahoaka manana faratakatra voafetra dia arovana amin’ny:
  • Ny zaza tsy ampy taona rehetra (olon-tsotra manokana sy olom-bahoaka), olondehibe manokana sy ireo olom-bahoaka manana faratakatra voafetra) dia arovana amin’ireto manaraka ireto, saingy ho an’ireo olom-bahoaka tsy ampy taona, izy ireo dia tsy maintsy ampiharihariana ara-tanjona:
    • Fampitahana manala ny mahaolona (amin’ny endrika an-tsoratra na an-jery) amin’ny na momba ny:
      • Biby sy bibikely, anisan’izany ireo zavaboary ambanin’olombelona, izay heverina ara-kolontsaina ho ambany.
      • Bakteria, viriosy, mikraoba ary aretina.
      • Zava-tsy miaina, anisan’izany ny fako, loto, diky.
  • Votoaty namboarimboarina hanasongadinana, hihodidinana na, ankoatra izay, hisarihana ny saina amin’ny fomba miiba amin’ireo toetoe-batana voatondro (orona, sofina sy ny sisa).
  • Votoaty izay manome filaharana azy ireo araka ny endri-batana na ny toetra.
  • Votoaty izay manambany ny olona izay aseho ho iharan’ny herisetra ara-batana (afa-tsy anatin’ireo sahankevitry ny fanatanjahantena haiady).
Zana-tohatra 3: Fiarovana fanampiny ho an’ireo Zaza Tsy Ampy Taona, Olondehibe Manokana ary Olom-bahoaka Tsy Nahy Tsy Ampy Taona:
  • Fanampin’ireo fiarovana rehetra voatanisa eo ambony, ireo zaza tsy ampy taona manokana rehetra, olondehibe manokana (izay tsy maintsy mitati-tena), ary olom-bahoaka tsy nahy tsy ampy taona dia arovana amin’ny:
    • Fanompana ikendrena.
    • Filazana momba ny fiombonana ara-pitiavana, fironana ara- -pananahana na ny maha-lahy sy maha-vavy.
    • Antso hanao hetsika, fanambarana fikasana, fanambarana araka ny hetaheta na fepetra, na fanambarana manentana na manohana fanilikilihana.
    • Fitokoavana toetra na fahaiza-manao miiba, afa-tsy amin’ny sahankevitra fiampangana asa ratsy sy fandinihana fihariana atao amin’ny olon-dehibe.
    • Fanehoana fanebahana, faharikorikoana na votoaty mandĂ  ny fisian’ny olon-tsotra, afa-tsy amin’ny sahankevitra fiampangana olondehibe ho manao asa ratsy.
  • Rehefa taterin-tna, ireo zaza tsy ampy taona manokana, olondehibe manokana ary olom-bahoaka tsy nahy tsy ampy taona dia arovana amin’ireto manaraka ireto:
    • Hetraketraka am-peon’olona lazaina voalohany.
    • Sary namboarimboarina tsy nirina.
    • Fampitahana amin’ny olom-bahoaka, olona araka ny tantara foromporoninana olon-tsotra manokana araka ny endri-batana ivelany.
    • Fitokoavana momba ny fiiziana ara-pinoana na faniratsirana an’Andriamanitra.
    • Fampitahana amin’ny biby na bibikely izay tsy heverina ara-kolontsaina ho ambany ara-tsaina na ara-batana (“tigra”, “liona”).
    • Fanoritsoritam-batana tsisy fiandaniana na miabo.
    • Fitokoavana toetra na fahaiza-manao tsy miiba.
    • Famelezana amin’ny alalan’ny voambolana manambany na manaratsy mifandraika amin’ny tsy fisiana firaisana ara-nofo.
Zana-tohatra 4: Fiarovana fanampiny ireo Zaza Tsy Ampy Taona ihany:
  • Ireo zaza tsy ampy taona dia mahazo ny fiarovana be indrindra araka ny politikanay. Fanampin’ireo fiarovana rehetra voatanisa eo ambany, ireo zaza tsy ampy taona dia arovana ihany koa amin’ny:
    • Fiampangana momba ny fitondrantena asa ratsy na tsy ara-dalĂ na.
    • Horonantsary momba ny hetraketraka ara-batana atao amin’ny zaza tsy ampy taona zaraina anatin’ny sahankevitra tsy ankanavaka.
    • Voambolana manambany mifandraika amin’ny fanompana mikendry ny vavy.
Hetraketraka sy fanorisorena amin’ny alalan’ireo Pejy, vondrona, hetsika ary hafatra
  • Ireo fiarovana Zana-tohatra 1 hatramin’ny 4 dia ampiharina ihany koa ao amin’ireo Pejy, vondrona, hetsika ary hafatra.
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
Aza:
  • Mametaka votoaty mikendry olona manokana amin’ny alalan’ny Pejy sy vondrona ary hetsika tsy nirina. Manala io votoaty io izahay rehefa mahazo tatitra avy amin’ilay tarigetra na solontenany nomen-dalana iray.
  • Mamoaka votoaty voasoritsoritra eo ambony izay, raha tsy izay, mitaky amin’ilay tarigetra ny hanaovany tatitra momba ilay votoaty na raha toa ilay votoaty ka milaza fa mikendry mivantana ilay tarigetra ilay mpamoaka votoaty (ohatra: tondroina anatin’ilay petadrindrina na kaomantera ilay tarigetra). Hanala io votoaty io izahay raha mahazo fanamafisana avy amin’ilay tarigetra na solontena nomen-dalan’ilay tarigetra (velona na maty) fa tsy nirina ilay votoaty.
  • Mamoaka votoaty miantso na manambara fikasana hiroboka amin’ny fitondran-tena izay azo sokajina ho hetraketraka sy fanorisorena araka ireo politikanay. Hanala io votoaty io izahay rehefa mahazo fanamafisana avy amin’ilay tarigetra na solontenan’ilay tarigetra na fa tsy nirina ilay votoaty.
  • Mamoaka votoaty manome toetra ara-nofo ny olom-bahoaka iray. Hanala io votoaty io izahay rehefa mahazo fanamafisana avy amin’ilay tarigetra na solontenan’ilay tarigetra na fa tsy nirina ilay votoaty.
  • Manomboka fifandraisana izay manorisory ara-nofo ilay ifandraisana. Hanala votoaty tsy ankanavaka zaraina amin’ny sahankevitra tsy irina izahay rehefa manana fanamafisana avy amin’ilay ifandraisana na mpisolo tena omen-dalan’ilay ifandraisana fa tsy irina ilay fifandraisana.
  • Manala fanorisorena faobe azotra, rehefa:
    • Mikendry, amin’ny alalan’ny sehatra iray, “olona be kinanga ambanan’ny famelezana tsy an-tambanjotra”, faritana hoe:
      • Ireo mpiaro zon’olombelona
      • Ireo zaza tsy ampy taona
      • Ireo lasibatry ny hetsika/loza amin’antambo mahery setra
      • Ireo olona mpanohitra ao amin’ireo firenena misy loza mitatao azy ireo mandritra ny vanim-potoana fifidianana
      • Ireo mpiandraikitra fifidianana
      • Ireo mpanohitra ao amin’ny governemanta izay nokendrena araka ny maha mpanohitra azy ireo.
      • Vondron’ny vitsy an’isa ara-poko sy ara-pivavahana ao amin’ny faritra misy fifandirana
      • Mpikambana amina vondrona misy loza mitatao voatondro sy atahorana ho fantatra
    • Mikendry olona tsy an-kanavaka amin’ny alalan’ireo velaran’olona manokana, toy ny tranon-kafatra na mombamomba azy, amin’ny alalan’ny:
      • Votoaty izay manitsakitsaka ny politika momba ny hetraketraka sy fanorisorena ho an’ny olon-tsotra manokana na;
      • Votoaty tsy azo tsinontsinoavina izay araka nymifototra amin’ny toetoetra arovana iray
  • Mamono an’ireo kaonty miroboka amin’ny fanorisorenana faobe toa ampahan’ny iray amin’ireto
    • Tambajotran’ny fanjakana na rantsamangaikam-panjakana mikendry olona tsy ankanavaka amin’ny alalan’ny sehatra rehetra.
    • Tambajotran’ny rafy mpifanandrina mikendry olona tsy ankanavaka amin’ny alalan’ny sehatra rehetra amin’ny alalan’ny:
      • Votoaty izay manitsakitsaka ny politika momba ny hetraketraka sy fanorisorena ho an’ny olon-tsotra manokana na;
      • Votoaty mikendry azy ireo araka ny toetoetra arovana iray, na
      • Votoaty na fitondran-tena izay, heverina ho tsy azo toherina amin’ny sahankevitra eo an-toerana
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Angondrakitra
Mijery ny Tatitra Fampiharana Fenitry ny Fiombonambe farany indrindra
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana mahakasika ny hetraketraka sy fanorisorena
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay