Fanehoana Mahaizy Tena Izy

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Ny mahaizy tena izy no vato fehizoron’ny fiombonambenay. Mino izahay fa ny mahaizy tena izy dia manampy amin’ny famoronana fiombonambe iray isian’ny olona samy tompon’antoka amin’izay ataony avy manoloana ny hafa, sy manoloana an’i Meta, amin’ny fomba misy dikany. Te hanome lalana ireo fomba maro anehoana ny mahaizy manerana ny fiombonambenay eran-tany izahay, no sady te hisoroka ny fisandohana sy ny fanehoana mahaizy diso. Mba hitanana tontolo azo antoka sy misokatra ahafahan’ny olona mifampatoky sy manorina fiombonambe, dia tsy manome lalana ny famoronana kaonty na mombamomba foronina na ampiasaina hamitahana ny hafa izahay.
Amin’ny Facebook, takinay amin’ny olona ny hamoronan’izy ireo kaonty iray amin’ny alalan’ny anarana fiantsoana azy andavanandro izay maneho ny mahaizy tena izy azy ireo. Namorona Mombamomba Fanampiny izahay mba hanampiana ny olona haneho ireo ila samihafan’ny mahaizy azy ny tenany, toy ireo zava-mahaliana azy na ireo fihariany.
Izahay dia tsy manome lalana ny fampiasana ireo serivisinay sy hametra na hamono ireo kaonty na Facebook sy Instagram ary Threads na fisiana Facebook hafa (toy ireo Pejy, vondrona) izay:
  • An’ny zaza tsy ampy taona
  • Misandoka olona na fisiana iray hafa amin’ny alalan’ny:
    • Fampiasana ny(ireo) sariny, anarany na fiendrehany entina hamitahana ny hafa
    • Fitenenana amin’ny feon’ny olona na fisiana iray hafa izay tsy anomezan-dalana ilay mpampiasa hanao izany (oh: amin’ny alalan’ny famoronana Pejy na mombamomba iray)
  • Miroboka amin’ny fanehoana mahaizy diso mba hamitahana na hanambakana ny hafa, hihodivirana fampiharam-penitra na handikana ireo Fenitry ny Fiombonambenay. Mandanjalanja anona maro an’isa izahay rehefa manombana fanehoana mahaizy diso mamitaka, toy ny:
    • Fanovana miverimberina na manan-danja hamantarana tsipiriany, toy ny anarana na taona
    • Fampahalalan'ny mombamomba mamitaka, toy ny tsipirian’ny bio sy toerana misy ny mombamomba
    • Fampiasana sary tahiry
  • Mampiasa anarana iray misy fandikana ireo Fenitry ny Fiombonambenay.
Amin’ny Facebook, hitady fampahalalana bebe kokoa izahay alohan’ny hakana fepetra manomboka amin’ny famerana vonjimaika ka hatramin’ny famonoana mandrakizay ireo mombamomba na kaonty raha toa ianao ka:
  • Manome daty nahaterahana diso
  • Mampiasa anarana iray izay tsy anarana tena izy fiantsoana anao andavanandro
  • Mamorona kaonty tokana iray izay misolo tena na ampiasain’ny olona mihoatra ny iray
  • Mamorona na mitana kaonty Facebook maromaro
  • Mamorona kaonty iray izay maneho fisiana tsy olombelona iray, toy ny fihariana, biby namana na personazy noforonina iray
  • Mitana mombamomba poakaty matory lava
Kaonty fan, fanarabiana ary parodia
Manome lalana ireo kaonty natokana ho an’ny fihetseham-pon’ny mpankafy, fampihomehezana, parodia, fanarabiana, fitsikerana, kaomantera ary hevitra izahay. Ilay kaonty dia tsy maintsy manao mazava be farafahakeliny ao amin'ny anaran-kaonty sy, ny tena tsara indrindra, amin’ny toerana hafa eo amin’ilay mombamomba, toy ny sarin’ny mombamomba na bio ny sata tsy ofisialiny (oh: amin’ny alalan’ny fanisiana hoe "pejin’ny mpankafy" ao amin’ilay alias/anarana). Ireo kaonty izay tsy mamboraka mazava ny toetra tsy ofisialin’izy ireo dia mety hoferana na halana.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana momba ny fanehoana mahaizy tena izy
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay