Fanararaotana Olondehibe Ara-nofo

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Ekenay ny mahazava-dehibe ireo serivisinay toa toerana iray iadian-kevitra sy isarihana ny saina momba ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo. Mino izahay fa singa manan-danja amin’ny fanorenana fifankazahoana sy fiombonambe izany. Anatin’ny ezaka hamoronana sehatra ho an’ity resaka ity sy hampiroboroboana tontolo azo antoka, izahay dia manome lalana ireo tapa-porohana hizara ny traikefan’izy ireo, saingy manala izay votoaty maneho, mandrahona na mampiroborobo herisetra ara-nofo, fanafihana ara-nofo na fanararaotana ara-nofo. Manala ireo votoaty mampiseho, manohana na mandrindra fihetsika ara-nofo misy antoko tsy mifanaiky ihany koa izahay mba hisorohana ny fanamorana fihetsika ara-nofo tsy nifanekena. Fanampin’izay, raha mahalala fisiana votoaty tsy ankanavaka mandrahona hanao na manohana fanolanana izahay dia mety hamono ilay kaonty mamoaka sy hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana, ho fanampin’ny fanalana ilay votoaty.
Mba hiarovana ireo tapa-porohana, izahay dia manala ireo sary maneho herisetra ara-nofo sy sarin’ny tena mangingina zaraina tsy misy faneken’ilay(ireo) olona azo sary. Araka ny nomarihina tao amin’ny teny fampidirana, dia miara-miasa amin’ireo mpahay aroloza ivelany izahay mba hiadian-kevitra sy hanatsarana ireo politikanay sy ny fampiharam-penitra momba ireo raharaha aroloza an-jotra, ary mety hanala votoaty izahay rehefa maharay fampahalalana hoe misy ifandraisany amina fihetsika manimba ilay votoaty. Nanoratra momba ilay teknolojia ampiasainay hiarovana amin’ny sarin’ny tena mangingina tsy nifanekena sy ilay fikarohana izay nahazoana fampahalalana momba ny asanay izahay. Namory entimanana ihany koa izahay ho an’ny fitaterana ireo fandrahonana sy ireo fizarana sarin’ny tena mangingina tsy misy fahazoandalana amin’ny Meta mba hisorohana mialoha ny fiparitahan’ny sary manginginan’ny olona amin’ny aterineto.
Izahay dia tsy manome lalana:
Votoaty maneho, manohana na maneso fikasihana ara-nofo tsy nifanekena, anisan’izany ny:
  • Sary maneho fikasihana ara-nofo tsy nifanekena (afa-tsy amin’ny zavakanton-tontolo tena izy maneho olona tsy tena izy, misy maribolana manameloka na an’evanevany)
  • Fanambarana manandrana na mandrahona hizara, hanolotra na hangataka sary maneho fikasihana ara-nofo tsy nifanekena
  • Fanoritsoritana fikasihana ara-nofo tsy nifanekena, afa-tsy raha zaraina amin’ilay na ho fanohanana ilay tapa-porohana
  • Fanohanana (anisan’izany ireo fanambarana hetaheta sy misy fepetra), fandrahonana hamita, na fiaikena ho nandray anjara tamin’ny, fikasihana ara-nofo tsy nifanekena.
  • Votoaty maneso ireo tapa-porohana na ny volavolan-kevitra hoe fikasihana ara-nofo tsy nifanekena
  • Votoaty zarain’ny antoko fahatelo iray izay manondro ireo tapa-porohana sisa tsy main’ny herisetra ara-nofo rehefa taterin’ilay tapa-porohana
Votoaty, fihetsika na fifanaovana izay manandrana manararaotra olona amin’ny alalan’ny:
  • Fakana vola, fampihantana na sarin’ny tena mangingina an-tery setra amin’ny olona amin’ny alalan’ny fandrahonana hamboraka ny sarin’ny tenany mangingina na ny fampahalalan’ny tenany mangingina (sextorsion)
  • Fizarana, fandrahonana, fanambarana fikasana hizara, fanolorana na fangatahana sarin’ny tena mangingina tsy nifanekena (NCII) izay mahafeno ny rehetra amin’ireto fepetra telo manaraka ireto:
    • Tsy ara-barotra ary novokarina tanatin’ny tontolon’ny tena manokana iray ilay sary.
    • (Manakaiky ny) miboridana, manao fihetsika vetaveta na manao paozy mampanita-kevitra ara-nofo (anisan’izany ny sary noforonina tamin’ny fomba nomerika na novokarin’ny AI) ilay olona anatin’ilay sary.
    • Ny tsy fisian’ny fanekena hizara ilay sary dia fantatra amin’ny fahafenoana ny iray amin’ireo signaly:
      • Sahankevitra valifaty (toy ny maribolana, kaomantera na lohatenim-pejy).
      • Loharano mahaleotena , toy ny tatitry ny mpitandro filaminana, tatitry ny haino vaky jery (toy ny famoahana sary hamafisin’ny haino vaky jery) na solontenan’ny tapa-porohana sisa tsy main’ny NCII
      • Tatitra avy amin’ny olona iray aseho anatin’ilay sary na izay mitovy anarana amin’ilay olona aseho anatin’ilay sary.
  • Fampanehoehoana, fandrahonana hizara na fanolorana hanamboatra NCII na sarina fanorohana amin’ny alalan’ireo appli na serivisy (anisan’izany ny AI), na torolalana, na dia tsy misy sary ara-barotra na tsy ara-barotra aza zaraina anatin’ilay votoaty aza (indraindray antsoina hoe app “nudify” na app “fanorohana AI”.
  • Fizarana sary tsy ara-barotra nalaina antsokosoko mifantoka amin’ny singam-batana mazĂ na omen-kevitra ara-nofon’ny olona iray (toy ny nono, teta, fitombenana na fe), olona iray manao paozy mampanita-kevitra ara-nofo, na ana olona iray manao fihetsika ara-nofo, ary zaraina anatin’ny fikasana haneso, hanome hevitra ara-nofo na hamboraka ny mahaizy ny olona iray aseho anatin’ilay sary. Ity sary ity dia fantatra amin’ny fiantsoana hoe "creepshot" (sary fangalatra) na "upskirt" (sary aingazipo).
  • Fizarana, fandrahonana hizara na fanambarana fikasana hizara resaka ara-nofo mangingina ka amin’izany ny tsy fiasan’ny fanekena hizara dia voalazan’ny iray amin’ireto manaraka ireto:
    • Sahankevitra valifaty sy/na sahankevitra fandrahonana,
    • Loharano mahaleotena toy ny rakotra haino vaky jery na rejisitry ny mpitandro filaminana na
    • Tatitra avy amin’ny olona iray aseho anatin’ilay sary na izay mitovy anarana amin’ilay olona aseho anatin’ilay sary
Votoaty mifandraika amin’ny “nécrophilie” na fampiboridanana an-tery, anisan’izany ny:
  • Sary maneho “nĂ©crophilie” na fampiboridanana an-tery (afa-tsy amin’ny zavakanton-tontolo tena izy maneho olona tsy tena izy, misy maribolana manameloka na an’evanevany)
  • Fanambarana fanandramana hizara, hanolotra, hangantana, na fandrahonana hizara ilay sarin’ny “nĂ©crophilie” na fampiboridanana an-tery
  • Fanambarana fa misy fanoritsoritana, fanohanana, fanambarana hetaheta na misy fepetra momba ny, ireo fanambarana fikasana na antso hamita, fiaikena fandraisana anjara tamin’ny, na fanesoana ireo tapa-porohana sisa tsy main’ny fanambadiam-paty na fampiboridanana an-tery
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, dia manisy takon-tohina izahay, amin’izay ny olona mahalala fa mety manafintohina ny olona sasany ilay votoaty:
Ireo fitantarana sy fanambarana misy fanoritsoritana fikasihana ara-nofo tsy nifanekena (an-tsoratra na am-bava) izay ahitana antsipiriany mihoatra ny filazana tsotra ny anaran’ilay hetsika natao na fanononana ilay hetsika natao raha:
  • Zarain’ilay tapa-porohana na
  • Zarain’ny antoko fahatelo iray (ankoatra ilay tapa-porohana) ho fanohanana ilay tapa-porohana na ho fanamelohana ilay hetsika na ho fampahatsiarovan-tsaina faobe hofaritana araka ny sahankevitra/maribolana.
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
Mety hametra ny fahitana ho an’ny olona mihoatra ny 18 taona sy hanisy etikety fampitandremana iray eo amin’ny votoaty sasany izahay, anisan’izany ny:
  • Votoaty maneho fikasihana ara-nofo tsy nifanekena rehefa:
    • Zaraina hampahatsiarovan-tsaina (tsy misy sahankevitra fialamboly na mampitolagaga),
    • Ilay tapa-porohana dia tsy azo fantarina, ary
    • Tsy misy fiboridanana ilay votoaty
  • Votoaty maneho fikasihana ara-nofo tsy nifanekena tantara noforonina (sombin-tsarimihetsika, sns.) rehefa zarain’ireo mpiray ombon’antoka atokisana hampahatsiarovan-tsaina sy tsy misy sahankevitra mampitolagaga
Izahay dia mety hametra ny fahitana ho an’ny olona mihoatra ny 18 taona sy hanisy etikety fampitandremana iray eo amin’ny votoaty sasany maneho fikasihana ara-nofo tsy nifanekena, rehefa zaraina hampahatsiarovan-tsaina sy tsy misy sahan-kevitra fialamboly na zava-mampitolagaga io, ka amin’izany tsy azo fantarina ilay lasibatra na tapa-porohana ary tsy misy fiboridanana ilay votoaty.
Fanampin’ny politika ara-maridrefinay hanalana votoaty mandrahona na manentana ho an’ny fanolanana na fikasihana ara-nofo tsy nifanekena, dia mety hamono ilay kaonty mamoaka votoaty toy izany koa izahay.
Mety hampihatra fepetra amin’ireo votoaty zarain’ny antoko fahatelo iray izay manondro ireo tapa-porohana sisa tsy main’ny herisetra ara-nofo ihany koa izahay rehefa taterin’ny solontena nomen-dalana iray na Mpiray Ombon’antoka Atokisana iray izany.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana mahakasika ny fanararaotana olondehibe ara-nofo
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay