Fiboridanana sy Fihetsika Ara-nofon’ny Olondehibe

Tsipirian'ny politika

MANOVA RAKITATITRA
Anton’ny Politika
Mametra ny fampisehoana fiboridanana na fihetsika ara-nofo izahay satria mety hanafintohina olona sasany ity karazana votoaty ity, fa indrindra noho ny kolontsain’izy ireo na taonan’izy ireo.
Azonay fa azo zaraina noho ny antony maro samihafa ny votoaty misy fiboridanana, anisan’izany ny endrika fihetsiketsehana, mba hampahatsiarovan-tsaina momba ny tolona iray na ho an’ireo tanjona fanabeazana na fitsaboana. Rehefa mety sy mazava ny fikasana toy izany, dia mamela ny famoahana ilay votoaty izahay. Ohatra, raha mametra sarina nonom-behivavy sasany izay ahitana loha-nono izahay, dia manome lalana sary hafa, anisan’izany ireo maneho asa fihetsiketsehana sy ireo vehivavy miroboka mavitrika amin’ny fampinonoana ary ny sarin’ny holatra aorian’ny fandidiana vatonono (indraindray asiana efijery fampitandremana fanafintohinana ary famerana araka ny taona). Manome lalana zavakanto an-tontolo tena izy izay maneho fiboridanana, toy ireo saripikana hosodoko, sarisokitra, sns (indraindray asiana efijery fampitandremana fanafintohinana sy famerana araka ny taona) ihany koa izahay. Mametraka tefy mialoha hanalana sary vetaveta izahay mba hisorohana ny fizarana votoaty tsy nifanekena na mampiseho zaza tsy ampy taona.
Araka ity politika ity, dia esorinay ireo sary sy horonantsary tena izy ana fiboridanana na firaisana ara-nofo, sarina fiboridanana sy firaisana ara-nofo vokarin’ny AI na solosaina, ary sary nomerika, tsy anavahana na “toa tena saripika” (ohatra ny hita amin’ny hoe toa tena olona ilay izy) izany. Araka ny marihina eo ambony, manao famelana am-pitandremana ho an’ny zavakanton-tontolo tena izy sy ny votoaty ara-pitsaboana sy ara-panabeazana ary fanairana saim-bahoaka ihany koa izahay, ary ambara antsipiriany ao amin’ny politika ireo.
Ireo votoaty mikasika ny fiboridanan-jaza dia tomorina ao amin’ny Fenitry ny Fiombonambenay momba ny Fanararaotana Ara-nofo, Hetraketraka na Fiboridanana Mahakasika Zaza.
Tsy manome lalana ireto votoaty manaraka ireto ho an’ny mpampiasa rehetra izahay:
Fiboridanan’olondehibe
  • Sarina fiboridanan’olondehibe toa tena saripika/ nomerika, raha toa io ka maneho:
    • Taovam-pananahana miharihary (anisan’izany rehefa hamaizinin’ny volon-teta na sosona nomerika)
    • Lavabody miharihary sy/na sariantomotrana fitombenana miharihary
    • Lohanonom-behivavy miharihary, afa-tsy amin’ny sahankevitry ny fampinonoana na hetsika fanoherana
  • Horonantsary toa tena saripika/nomerika izay mifantoka amin’ny teta, nonom-behivavy na fitombenana raketina an-tsary tsy misy fahafantaran’ilay(ireo) olona aseho an-tsary
  • Marihana fa miaraka amin’ny famerana sasany, izahay dia mety hanome lalana ireo fanehoana an-tsary ny fiboridanan’olondehibe amin’ireo sahankevitra miavaka fanampiny, toy ny sahankevitra fitsaboana na fahasalamana. Ity dia voaresaka antsipiriany bebe kokoa ao amin’ireo fizarana eo ambany.
Fihetsika Ara-nofon’olondehibe
  • Sarin’ny fihetsika ara-nofon’ny olondehibe toa tena izy/nomerika, anisan’izany ny:
    • Fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankitsirano:
      • Firaisana ara-nofo amin’ny taovam-pananahana na am-bava ankitsirano, araka ny asehon’ny vava na taovam-pananahan’ny olona iray miditra na mifampikasika ao anatin’ny taovam-pananahana na lavabodin’ny olona iray hafa, na taovam-pananahana apetraka eo amin’ny na atsofoka ao anatin’ny kilalao ara-nofo iray, rehefa miharihary ny taovam-pananahana na lavabodin’ny olona iray farafahakeliny
      • Fanaitairana mazava ny taovam-pananahana na lavabodin’ny olona iray, araka ny asehon’ny fanaitairana, na ny fanatsofohana kilalao ara-nofo ao anatin’ny taovam-pananahana na lavabodin’ilay olona, rehefa miharihary mivantana ilay fifampikasihana amin’ny taovam-pananahana na lavabody
    • Fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankolaka:
      • Firaisana ara-nofo amin’ny taovam-pananahana na am-bava ankolaka, araka ny asehon’ny vava na taovam-pananahan’ny olona iray miditra na mifampikasika amin’ny taovam-pananahan’ny na lavabodin’ny olona iray hafa, rehefa tsy miharihary mivantana ilay taovam-pananahana na lavabody sy/na fidirana na fifampikasihana
      • Fanaitairana ankolaka ny taovam-pananahana na lavabodin’ny olona iray, araka ny asehon’ny fanaitairana, na ny fametrahana kilalao ara-nofo eo ambonin’ny na fanatsofohana kilalao ara-nofo ao anatin’ny taovam-pananahana na lavabodin’ilay olona, na taovam-pananahana apetraka eo amin’ny na atsofoka ao anatin’ny kilalao ara-nofo iray, rehefa tsy miharihary mivantana ilay taovam-pananahana na lavabody, fanaitairana, fametrahana sy/na fanatsofohana
      • Fihetsika ara-nofo efa mby hitranga, araka ny hita amin’ireo paozy izay milaza fa madiva hatomboka ny fifampikasihana eo amin’ny tanana, vava na taovam-pananahan’ny olona iray amin’ny taovam-pananahana na lavabodin’ny olona iray hafa.
    • Fihetsika na fanaitairana ara-nofo hafa:
      • Fihenjanan’ny filahiana
      • Fisiana zana-bokatry ny fihetsika ara-nofo
      • Kilalao ara-nofo apetraka eo amin’ny na atsofoka ao anatin’ny vava
      • Fanaitairana lohanonon’olombelona miharihary
      • Fanapotserana nonom-behivavy, faritana hoe fihetsika mibeda amin’ny rantsantanana miforitra izay mampiseho marika sy fiovan’endrika mazava amin’ny nono Manome lalana fanapotserana izahay amin’ireo saha-kevitra fampinonoana.
    • Sary toa tena saripika/ nomerika na zavakanton-tontolo tena izy maneho an-tsary fiandevozana ara-nofo izay ahitana izao manaraka izao:
      • Fihetsika angambaina hiteraka fahafatesan’ny olona na biby iray
      • Fanapahana rantsam-batana
      • Fihinanana ny samy olombelona
      • Diky, amany, rehoka, lelo, fadimbolana na loa
      • Firaisana ara-nofo amin’ny biby
      • Fifoterana ara-nofo
      • BDSM (bondage sy discipline, domination sy submission, sadism sy masochism), rehefa famantarana zavatra ara-nofo ihany no misy ihany koa
  • Sary toa tena saripikana fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankitsirano anatina sahankevitra fitsaboana na fahasalamana
  • Horonampeon’ny fihetsika ara-nofo nitarina
  • Marihana fa miaraka amin’ny famerana sasany, izahay dia mety hanome lalana ireo fanehoana an-tsary ny fihetsika ara-nofo amin’ireo sahankevitra miavaka, toy ny sahankevitra fitsaboana na fahasalamana. Ity dia voaresaka antsipiriany bebe kokoa ao amin’ireo fizarana eo ambany.
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, dia mametra ny fahafahana mijery ny votoaty ho an’ireo mpampiasa 18 taona no ho mihoatra sy manisy etikety iray izahay amin’izay ny olona mahalala fa mety ho saropady ilay votoaty:
  • Sary nomerika sy zavakanton-tontolo tena izy ana fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankitsirano anatina sahankevitra fitsaboana na fahasalamana
  • Sary toa tena saripika/ nomerika sy zavakanton-tontolo tena izy ana fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankolaka na hafa anatina sahankevitra fitsaboana na fahasalamana
  • Sary toa tena saripika/nomerika sy zavakanton-tontolo tena izy ana taovam-pananahana miharihary, lavabody miharihary, sary antomotrana fitobenana miharihary na lohanonom-behivavy miharihary anatin’ny sahankevitra fandidiana fanamafisana fananahana
  • Zavakanton-tontolo tena izy momba ny taovam-pananahana miharihary (anisan’izany ny taovam-pananahana rakofana sosona na fanamaizinana nomerika sy taovam-pananahana hamaizinina amin’ny volon-teta ihany), lavabody miharihary, sariantomotrana fitombenana miharihary na lohanonom-behivavy miharihary, ka ifantohan’ilay sary sy tsy anatin’ny sahankevitra fitsaboana na fahasalamana ilay fiboridanana.
  • Sarina toa tena saripika/ nomerika ana taovam-pananahana miharihary (anisan’izany ny taovam-pananahana rakofana sosona na fanamaizinana nomerika sy ny taovam-pananahana hamaizinin’ny volon-teta), sariantomotrana fitombenana miharihary, lavabody miharihary na lohanonom-behivavy miharihary, rehefa zaraina anatina sahankevitrana kere, vono olona faobe, heloka an’ady na heloka atao amin’ny zanak’olombelona
Ho an’ity votoaty manaraka ity, dia mametra ny fahafahana mijery ilay votoaty ho an’ireo olondehibe 18 taona no ho mihoatra izahay:
  • Sary toa tena saripika/nomerika maneho saika fiboridanana toy ny fiboridanana rakofana sosona nomerika na zavatra matevina iray ihany sy ireo trangana fiboridanana voatondro hamaizinin’ny fitafiana manify mangarahara
  • Sarin’olona toa tena saripika/nomerika ka ny elakelape, ny fitombenana na ny(ireo) nonom-behivavy no ifantohan’ilay sary
  • Sary toa tena saripika/ nomerika sy zavakanton-tontolo tena izy ana fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankolaka na hafa rehefa ireo endri-batana na hodidim-batana ihany no miharihary
  • Zavakanton-tontolo tena izy, ahitana
    • Sary maneho fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankolaka, ankitsirano na hafa afa-tsy rehefa avoaka anatin’ny sahankevitra fitsaboana na fahasalamana
    • Sary maneho habibiana, raha toa io ka zaraina tsy misy fiandaniana na ho fanamelohana ary tsy tena izy ireo olona na biby asehony
  • Sary toa tena saripika foronin’eritreritra fantatra izay maneho fihetsika na fanaitairana ara-nofo ankolaka na hafa
  • Sary toa tena saripika/nomerika sy zavakanton-tontolo tena izy maneho:
    • Fihetsika mifandraika amin’ny ara-nofo, toy ny fifanorohana miaraka amin’ny lela miharihary sy dihy ara-nofo na erotika
    • Olona mody manao fihetsika ara-nofo
    • Fihetsika izay midika taovam-pananahana, fivetavetana, firaisana ara-nofo am-bava na amin’ny taovam-pananahana
    • Logo, sarin’efijery na kilipy horonantsarin’ireo tranonkala porno fantatra
  • Votoaty misy horonampeon’ny fihetsika ara-nofo
Ho an’ireto votoaty manaraka ireto, dia manisy etikety iray izahay mba hahalalan’ny olona fa mety hanafintohina ilay votoaty:
  • Sary toa tena saripika/ nomerika sy zavakanton-tontolo tena izy izay maneho:
    • Taovam-pananahana miharihary (anisan’izany ny taovam-pananahana rakofana sosona na fanamaizinana nomerika sy taovam-pananahana hamaizinina amin’ny volon-teta), sariantomotrana fitombenana miharihary na lavabody miharihary, rehefa zaraina anatina sahankevitra fitsaboana na fahasalamana. Mety ho anisan’izany, ohatra ny:
      • Fotoana fiterahana sy fotoana aorian’ny fiterahana
      • Fitilian-tena ny homamiadana na aretina hafa
  • Lohanonom-behivavy miharihary, rehefa zaraina anatina sahankevitra fitsaboana na fahasalamana (anisan’izany ireo tombokavatsan’ny nierem-pahafatesana tamin’ny fandidiana fanalana vatonono na homamiadana)
Ho an’ireto Fenitry ny Fiombonambe manaraka ireto, dia mitaky fampahalalana sy/na sahankevitra fanampiny izahay mba hampiharana azy ireto:
  • Amin’ny tranga sasany, izahay dia hanome lalana ireo votoaty ho an’ireo 18 taona no ho mihoatra misy etikety iray izay, raha tsy izany, mety hanitsakitsaka ny Fenitry ny Fiombonambe rehefa voafaritra fa fanarabiana ilay votoaty. Ny hany hanomezan-dalana ilay votoaty dia raha anarabiana na atendry zavatra na olona iray hafa mba hanesoana na hitsikerana azy ireo singam-botoaty mandika fenitra.
Traikefan’ny mpampiasa
Jereo ny ohatra sasany hoe toy ny ahoana ny fampiharam-penitra ho an’ny olona amin’ny Facebook, toy ny: ohatra ny ahoana izany hoe mitatitra zavatra iray heverinao hoe tsy tokony ho amin’ny Facebook, izany hoe ilazana fa nandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao, ary izany hoe mahita efijery fampitandremana iray mandrakotra votoaty voatondro.
Fanamarihana: Miezaka mihatsara foana izahay, ka mety efa nilaozan’ny toetr’andro kely izay hitanao eto raha mitaha amin’izay ampiasainay amin’izao.
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Fanaovan-tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Serasera aorian’ny tatitra
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Traikefa fanesorana
TRAIKEFAN’NY MPAMPIASA
Efijery fampitandremana
Angondrakitra
Mijery ny Tatitra Fampiharana Fenitry ny Fiombonambe farany indrindra
Fampiharam-penitra
Mitovy daholo ny politikanay maneran-tany ho an’ny olon-drehetra amin’ny Facebook.
Ekipa mpandinika
Ny ekipanay eran-tany misy mpandinika 15.000 mahery dia miasa isan’andro mba hiarovana tsy tapaka ny olona amin’ny Facebook.
Firobohan’ireo mpiaramiombonantoka
Manampahaizana ivelany, mpampianatra ambony, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mpamolavola politika no manampy amin’ny fampahalalana ny Fenitry ny Fiombonambe Facebook.
Mahazo fanampiana mahakasika ny fiboridanana sy fihetsika ara-nofon’ny olondehibe
Fantaro hoe inona no azonao atao raha mahita zavatra amin’ny Facebook izay mandika ny Fenitry ny Fiombonambenay ianao.
Mitsidika ny Ivon’ny Fanampianay