Fenitry ny Fiombonambe

Ny Fenitry ny Fiombonambe dia milazalaza hoe inona no azo atao sy tsy azo atao amin’ny Facebook, Instagram, Messenger ary Threads.
Teny Fampidirana
Ireny fenitra ireny dia mifototra amin’ny domberina avy amin’ny olona sy ny torohevitra avy amin’ireo manampahaizana amin’ireo sehatra toy ny teknolojia, arolozam-bahoaka ary zon’olombelona. Mba hahazoana antoka fa omen-danja ny feon’ny tsirairay, dia mitandrina tsara izahay mba hamorona fenitra mahatafiditra hevitra sy finoana samihafa, indrindra avy amin’ireo olona sy Fiombonambe izay mety hatao tsinontsinona na hahilikilika.
Isan’andro, dia mampiasa Facebook, Instagram, Messenger ary Threads ny olona mba hizarana ny traikefan’izy ireo, hifandraisana amin’ny namana sy ny fianakaviana, ary hanorenana fiombonambe. Ireo serivisinay dia ahafahan’ny olona an-davitrisany maneho ny tenany an-kalalahana eran’ny firenena sy kolontsaina maro ary amin’ny fiteny am-polony maro.
Miaiky i Meta fa zava-dehibe ny maha-toerana ahafahan’ny olona mahatsapa ho ampahefana hifanerasera ny Facebook, Instagram, Messenger ary Threads, ary raisinay am-pahamatorana ny anjara asanay amin’ny fiarovana tsy tapaka ny serivisy ho lavitry ny fanararaotana. Izany no nahatonga anay namolavola fenitra hoe inona no azo atao sy tsy azo atao amin’ireo serivisy ireo.
Mariho, azafady, fa ny kinovan’ny Fenitry ny Fiombonambe amin’ny fiteny anglisy amerikanina no ahitana taratra ny andiam-politika manaraka andro indrindra ary tokony hampiasaina ho tahirinkevitra fototra.
Manolo-tena izahay hanome fahafahana miteny
Ny tanjon’ny Fenitry ny Fiombonambenay dia ny hamorona toerana ahafahan’ny olona maneho hevitra sy hamela azy hiteny. Tian’i Meta ho afaka hiresaka malalaka momba ireo raharaha manan-danja aminy ny olona, na amin’ny alalan’ny kaomantera an-tsoratra, sary, mozika, na fomba ara-java-kanto hafa, na dia mety tsy hiombon-kevitra na mety hahita azy ireo ho azo tsipahina aza izy ireo. Amin’ny raharaha sasany, dia manome lalana ny votoaty—izay mety hifanohitra amin’ny fenitray—izahay raha mendrika fahalianana ary mahasoa ny daholobe ilay izy. Tsy manao izany anefa izahay raha tsy efa nandanja ny soa iombonana mitaha amin’ny amin’ny mety ho fahavoazana, ary mijery ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izahay mba hitsarana izany. Amin’ny tranga hafa, mety hanala votoaty mampiasa fiteny manjavozavo na ankolaka izahay rehefa misy sehatra isehoana fanampiny ahafahanay mahazo amin’ny antonony fa mandika ny fenitray ilay votoaty.
Manan-danja faratampony ny fandalanay ny fanehoan-kevitra, aingy ekenay fa ny aterineto dia mamorona fahafahana vaovao sy mampitombo ny fanararaotana.. Noho ireo antony ireo, rehefa mametra ny fanehoan-kevitra izahay dia manao izany mba hanarahana ny iray na ny maro amin’ireto soatoavina manaraka ireto:
MAHA-TO
Tianay ho azo antoka fa to ny votoaty hitan’ny olona. Mino izahay fa ny maha-to dia mamorona tontolo iray tsara kokoa ho an’ny fizarana, ary izay no antony tsy itiavanay ny hampiasan’ny olona ireo serivisinay hanehoana vilana hoe iza ny tenany na inona no ataony.
AROLOZA
Milofo amin’ny fanaovana ny Facebook, Instagram, Messenger ary Threads ho toerana azo antoka izahay. Manala izay votoaty mety hampidi-doza ka hahatonga fahavoazana ara-batana amin’ny olona izahay. Ny votoaty mandrahona olona dia atahorana hampitahotra, hanilika na hampangina ny hafa ary tsy azo atao amin’ireo serivisinay.
FITANAN-TSIAMBARATELO
Milofo amin’ny fiarovana ny fiainan’olona sy ny fampahalalan’olona manokana izahay. Ny fitanan-tsiambaratelo dia manome fahafahana ny olona ho izy tenany sy hisafidy ny fomba sy ny fotoana hizarana amin’ireo serivisinay sy hifandraisana mora kokoa.
FAHAMENDREHANA
Mino izahay fa mitovy ny olona rehetra eo amin’ny lafiny fahamendrehana sy zo. Manantena izahay fa hanaja ny fahamendrehan’ny hafa sy tsy hanorisory na hanambany ny hafa ny olona.
Fenitry ny Fiombonambe
Ny Fenitry ny Fiombonambenay dia mihatra amin’ny olon-drehetra, maneran-tany, sy amin’ny karazana votoaty rehetra, anisan’izany ny votoaty vokarin’ny AI.
Ny fizarana tsirairay amin’ny Fenitry ny Fiombonambenay dia manomboka amin’ny “Anton’ny Politika”, izay manazava ny tanjon’ilay politika ary ahitana politika voatondro milazalaza ny:
Votoaty izay tsy azo atao; ary
Votoaty ilana fampahalalana fanampiny na fisehoan-javatra iharan’ilay izy, votoaty ahazoana lalana raha misy efijery fampitandremana, na votoaty ahazoana lalana kanefa ny olondehibe 18 taona no ho miakatra ihany no mahazo mijery azy.