Izahay ato amin’i Meta, dia mandala ny fanomezana fitenenana ny olona sy ny fiarovana azy ireo amin’ny loza hatrany.
Hatramin’ny 2016, dia nampiasa paikady antsoina hoe "manala, mampihena, mampahalala" izahay mba hitantanana ny votoaty eran’ireo teknolojia Meta.
Midika izany fa izahay dia manala ireo votoaty manimba izay mandika ireo politikanay, mampihena ny fanaparitahana votoaty miteraka olana izay tsy mandika ireo politikanay, mampahalala ny olona amin'ny alalan'ny sahankevitra fanampiny amin’izay afaka manapa-kevitra izy ireo hoe inona no hotsindriana, hovakina na hozaraina.
Mba hanampiana amin’ity paikady ity, dia manana politika manoritsoritra izay azo atao sy tsy azo atao ao amin’ireo teknolojianay izahay. Miara-miasa ireo ekipanay mba hamolavolana ireo politikanay sy hampiharana azy ireny. Toy izao no fiasany.
1.
Izahay dia mifarimbona amin’ny manam-pahaizana eran-tany momba ny teknolojia sy arolozam-bahoaka ary zon’olombelona mba hamoronana sy hanavaozana ireo politikanay.
2.
Manamboatra fiasa ho an’ny aroloza izahay, amin’izay ny olona afaka mitatitra votoaty sy manakana, manafina, ary manafoana fanarahana kaonty.
3
Mampiasa teknolojia sy fandinihan’olombelona hampiharana ireo politikanay izahay.
Miaro ny olona hatrany izahay ary mamela azy ireo handray anay ho tompon’antoka amin’ny alalan’ny fizarana ny politikanay sy ireo tatitra momba ny fampiharam-penitra sy ny fangaraharana.
Ny politikanay
Ny politikanay dia mamaritra hoe inona no azo atao sy tsy azo atao ao amin’ireo teknolojia Meta. Mandray fepetra izahay raha mifanohitra amin’ny politikanay ny votoaty iray.
Ny fampiharam-penitray
Mampiasa teknolojia sy ekipa mpandinika izahay mba hahatrarana sy handinihana ary handraisana fepetra momba ireo singam-botoaty an-tapitrisany isan’andro amin’ny Facebook sy Instagram.
Ireo tatitray momba ny fangaraharana
Mamoaka tatitra momba ny fangaraharana matetika izahay mba hampisehoana amin’ny olona hoe manao ahoana izahay amin’ny fampiharana ireo politikanay.
Ny fanantomoronay ny hanazavana ny filaharana
Ireo rafitry ny ilontsaina artifisialy (IA) dia mampahalala ny filaharan’ny votoatin’ireo traikefa maro ao amin’ireo vokatr’i Meta, toy ny fijerena Ako Facebook, fijerena reel amin’ny Instagram na fitetezana Facebook Marketplace.
Fanavaozana vao tsy ela